Skip to content
665 Hadiths

Encyclopedia of Prophetic Hadiths

Filter results

35 of 665 cards

Clear filters
“Tompo Allah dia hiteny amin’ny mponin’ny Paradisa hoe : Ry vahoakan'ny Paradisa ô!? Hoy izy ireo : Eny, mamaly ny antsonay ry Tomponay, dia hoy I Allah : "Moave afa-po ianareo? Hoy izy ireo : “Nahoana izahay no tsy afa-po rehefa nomenao izay tsy nomenao na iza na iza teo amin’ny zavaboarinao? dia hoy I Allah : Homeko zavatra tsara noho izany ianareo, hoy izy ireo : Tompo ô! Inona indray no zavatra mihoatra izany? Dia hoy Izy : Omeko anareo ny fifaliko, ary tsy ho tezitra aminareo Aho intsony intsony aorian’izany.
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim
“Hozonin’I Allah anie ny Jiosy sy ny Kristianina noho ny fakan'izy ireo ny fasan’ny mpaminaniny ho toeram-pivavahana". Hoy i Aisha : Raha tsy izany, dia naharihary ny fasany, saingy natahotra izy sao hatao moske.
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim
“Manatòna ary mialà, ary fantaro fa tsy hisy aminareo ho voavonjy amin’ny alàlan'ny asany.” Hoy izy ireo : Ry irak’Allah, Eny na ianao aza? Namaly izy hoe : “Eny na dia izaho aza, raha tsy Allah mandrotsaka amiko ny famindram-pony sy ny fahasoavany”.
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim
“Ho lazain’I Allah Ilay Tsitoha amin’ireo mponin’ny afobe izay mahazo sazy kely indrindra amin'ny andro farany hoe : Raha fanananao daholo ny eny an-tany, moa havotanao amin’izany ve ny tenanao? dia hoy izy : Eny, hoy I Allah : Naniry zavatra mora kokoa noho izany ho anao Aho, taminy anao mbola tao anatin’ny lamosin’i Adama: mba tsy hampitambatra fanompoana Ahy amin'ny zavatra hafa, nefa tsy nanaiky ianao afa-tsy ny fampitambarana ny fanompoana Ahy".
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim
Niteny ny Mpaminany (S.A.W) ary niteny iray hafa aho, hoy ny Mpaminany (S.A.W) : “izay maty tao anatin'ny fiantsoana tompo hafa ankoatra an' I Allah ho mitovy Aminy, dia hiditra amin'ny Afobe” Ary hoy aho hoe : Izay maty tsy miantso zavatra hafa ankoatra an’I Allah dia miditra ny Paradisa.
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim
“Tsy misy na dia iray aza aminareo afa-tsy hoe hiresahan'i Allah mivantana, ary tsy misy mpandika teny, ka mijery ny ankavanany izy dia tsy hahitra afa-tsy natolony, ary mijery ny ankavia dia tsy hahita afa-tsy izay natolony, mijery eo anoloany dia tsy mahita afa-tsy ny Afo manatrika ny tavany, koa matahora ny Afo na dia antsasaky amin'ny atrendry aza.
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim
Nitaingina biby i Mpaminany (S.W.A) niaraka tamin'i Mouaz Ibn Jabal tao aoriany, ka hoy izy : "O! Ry Moa'zh ibn Jabal" Namaly izy hoe : "Eny mihaino anao aho ry irak'i Allah!". Naveriny in-telo izany, avy eo dia niteny i Mpaminany (S.A.W) hoe : " Tsy misy olona mijoro ho vavolombelona marina avy ao am-pony fa tsy misy tompo afa-tsy Allah ary i Mouhammad no irak'Allah, afa-tsy ataon'i Allah fady azy ny Afobe". Hoy i Mouaz : "Holazaiko amin'ny olona ve izany mba hahafaly azy ireo?". Dia namaly i Mpaminany (S.A.W) : “Sao dia lasa miantehitra amin'izany izy ireo”. Dia nolazain'i Mouaz ihany izany talohan'ny nahafatesany mba tsy ho tsiny aminy.
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim
Nisy andian'olona nanontany an'ny Mpaminany (S.A.W) momba ireny mpimasy ireny, dia namaly izy hoe : " Tsy misy inona hain'izy ireny". Niteny ireo olona : Ry Irak'Allah, fa izy ireo anie indraindray milaza zavatra marina, dia namaly i Mpaminany (S.A.W) : "ireny dia teny marina azon'ireo Djiny ka napetrakany amin'ny sofin'ny sakaizany ka afangarony lainga mihoatra ny zato".
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim