Skip to content
665 Hadiths

Encyclopedia of Prophetic Hadiths

Filter results

3 of 665 cards

Clear filters
Nitsangana teo aminay ilay Irak'i Allah indray andro, ka nampatsiahy tamin’ny fampatsiahivana izay nampatahotra ny fo, sy nahalatsa-dranomaso. Ka nisy ny niteny taminy manao hoe : Ry Irak’Allah! Toa fampatsiavana maka endrika ho fanomezam-beloma izy izany ka hanaro izahay, dia niteny izy hoe : “Aoka ianareo hataotra an’I Allah, sy hiaino sy hankatoa, eny fa na dia andevo mainty oditra aza (mitondra anareo), ho hitanareo ao aoriako ny disadisa henjana, ka fikironareo mafy ny fomba amam-panoako, sy ny an’ireo mpandimby ahy, mpitarika, marina, kaikero amin'ny vanginareo (fikiro mafy, aza avela), Ary mitandrema amin'ny zava-baovao noforonina, fa ny zava-baovao rehetra dia fahaverezana.
Mari-pototra Notantarain'I Abo Daòd, Al-Tirmizì, Ibn Màjah ary Ahmad
" Moave misy olona mipetraka eo amin'ny sezany ka tonga aminy ny Hadithe avy Amiko dia miteny Izy ka hanao hoe : Atsika efa manana Bokin'i Allah eo anatrehantsika Ka izay hitantsika fa Halaly dia ataontsika Halal, ary izay hitantsika fa Haram dia Ataontsika Haramo, Satria izay noraran'i Irak'i Allah dia toy ny noraran'Allah ihany izany".
Mari-pototra Notantarain'I Abo Daòd sy Tirmizì ary Ibn Màjah
" Manoro hevitra Anareo Aho ny mba hatahotra an'i Tompo Allah, ary hihaino sy hendry ary hankatò Azy, ary raha misy andevo voatendry hifehy sy hibaiko ary hitondra Anareo dia ankatoavinareo izany. Fa izay mbola ho velona sy hahazo fivelomana lava Aminareo avy ao aoriako dia hahita ny olana sy disadisa ary tsy fitovian-kevitra be dia be. Koa arahonareo ihany ny Sonnah-ko sy ny Sonnahn'ireo Kalifa Mpitari-dalana Anareo, ary mifikira mafy amin'izany Ianareo ara-drariny, ary tano sy tazominareo mafy izany, ary mitandrema amin’ny zava-baovao rehetra izay noforonina, fa izany dia fahaverezana”.
Mari-pototra Notantarain'I Abo Daòd sy Tirmizì