Skip to content
665 Hadiths

Encyclopedia of Prophetic Hadiths

Filter results

143 of 665 cards

Clear filters

Narrator

Show all narrators (63)
أبو ذر2 أبو قتادة2 النعمان بن بشير2 عبد الله بن بسر2 أبو أمامة1 أبو أمامة الباهلي1 أبو أيوب1 أبو أيوب الأنصاري1 أبو بكرة1 أبو حمزة أنس بن مالك1 أبو سعيد الخدري قال1 أبو سعيد الخدري وعن أبي هريرة1 أبو عبد الله الجدلي قال1 أبو عبد الله النعمان بن بشير1 أبو مسعود1 أبو مسعود الأنصاري1 أبو مسعود عقبة بن عمرو الأنصاري البدري1 أبو موسى1 أبو هريرة قال1 أبو يعلى شداد بن أوس1 ‌أبي بن كعب1 ‌أبي هريرة1 الأغر1 البراء1 المغيرة1 المقدام بن معدي كرب1 النواس بن سمعان1 النواس بن سمعان الأنصاري1 ثوبان1 جبير بن مطعم1 جرير1 جرير بن عبد الله1 حذيفة1 خولة الأنصارية1 سعد بن أبي وقاص1 سلمة بن الأكوع1 سليمان بن صرد1 سمرة بن جندب والمغيرة بن شعبة1 شداد بن أوس1 ‌عائشة1 عبد الرحمن بن أبي ليلى قال1 عبد الله بن سلام1 عبد الله بن عباس1 عبد الله بن عمرو بن العاص1 ‌عبد الله بن عمرو بن العاص1 عثمان بن أبي العاص1 عقبة بن عامر1 عقبة بن عامر الجهني1 عمر1 عمر بن أبي سلمة1 معاذ بن جبل1 معاوية1 معقل بن يسار1
"Ny vola tena tsara indrindra dia ny vola izay navokan'ny olona mba ho fanomezana amin'ireto manaraka ireto : vola izay avoakany ka nomeny ireo ankohonany, ny vola izay avokan'ny olona amin'ny biby ho fitainginy noho ny Allah, ary ny vola izay laniny amin'ireo namany noho ny amin'I Allah" Niteny i Abou Qilabah : nanomboka tamin’ireo ankohonany, avy eo i Abo Qilabah dia niteny hoe : Iza no olona mahazo valisoa lehibe mihoatra ny olona mandany vola amin’ny havany, dia hamela ny helony Allah na hanasoa sy hampanan-karena azy ireo.
Mari-pototra Notantaraiin'i Moslim
“Eny tokoa, ireo olo-marina eo anatrehan'Allah dia eo amin’ny lampihazon’ny hazavana, eo ankavanan’Ilay Be Indrafo sy Be voninahitra, ary ny tànany roa dia ankavanana avokoa, Ireo izay marina amin’ny fitsarany, sy amin'ny fianakaviany, ary ireo izay iadidiany».
Mari-pototra Notantaraiin'i Moslim
Nisy lehilahy iray nanontany an'ny Mpaminany (S.A.W) hoe : Aiza amin'ireo fanompoana ao amin'ny finoana Islam no tsara indrindra? Hoy izy namaly hoe : “Mampisakafo olona, ary miarahaba an’izay fantatrao sy izay tsy fantatrao.”
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim
Nisy lehilahy iray niteny hoe : Ry irak’Allah ô, manana havana aho, mifandray amin’izy ireo aho nefa nanapaka fihavanana amiko izy ireo, ary manao soa aminy aho nefa mampahory ahy izy ireo, ary mangoraka amin'izy ireo aho nefa tsy mahalala ahy akory izy ireo. Dia namaly i Mpaminany (S.A.W) : “Raha toa ianao ka toy ny voalazanao, dia toy ny nahatonga azy ireo hahatsiaro ho leo, ary mbola manana fanohanana avy amin’I Allah amin’izy ireo ianao, raha mbola manao izany foana ianao.”
Mari-pototra Notantaraiin'i Moslim
“Iray amin’ireo teny azon’ny olona avy tamin’ny tenin’ny faminaniana voalohany dia izao : ‘Raha tsy menatra intsony ianao, dia ataovy izay tianao.’ ”
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari
"Tompo Allah dia faly amin'ny mpanompo iray rehefa mihinana hanina ka misaotra azy noho izany, na rehefa misotro zava-pisotro ka midera azy amin'izany".
Mari-pototra Notantaraiin'i Moslim
“Tsy hiditra any amin’ny paradisa ianareo raha tsy mino, ary tsy hino ianareo raha tsy mifankatia, moa tsy holazaiko zavatra iray ve ianareo ka raha manao izany ianareo dia hifankatia? Aparitaho ny fiarahabana eo aminareo".
Mari-pototra Notantaraiin'i Moslim
"Ny vavaka dimy isan'andro, ny vavaka zoma hatramin'ny zoma manaraka, ary ny ramadany hatramin'ny ramadany manaraka, dia famafana ny eo anelanelan'izy ireo raha miala amin'ny fahotana lehibe."
Mari-pototra Notantaraiin'i Moslim