Skip to content
665 Hadiths

Encyclopedia of Prophetic Hadiths

Filter results

103 of 665 cards

Clear filters
“Tsy hiditra any amin’ny paradisa ianareo raha tsy mino, ary tsy hino ianareo raha tsy mifankatia, moa tsy holazaiko zavatra iray ve ianareo ka raha manao izany ianareo dia hifankatia? Aparitaho ny fiarahabana eo aminareo".
Mari-pototra Notantaraiin'i Moslim
"Ny vavaka dimy isan'andro, ny vavaka zoma hatramin'ny zoma manaraka, ary ny ramadany hatramin'ny ramadany manaraka, dia famafana ny eo anelanelan'izy ireo raha miala amin'ny fahotana lehibe."
Mari-pototra Notantaraiin'i Moslim
"Ankamorao fa aza akasarotina, ary milazà vaovao mahafaly fa aza mampandositra".
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim
“ Izay mino an’i Tompo Allah sy ny Andro farany dia aoka Izy mba hiteny tsara na hangina, ary izay mino an'i Tompo Allah sy ny Andro farany dia aoka Izy mba hanao tsara amin'ny mpifanolo-body rindrina Aminy; ary izay mino an'i Tompo Allah sy ny Andro farany dia aoka izy mba hikarakara tsara ny vahininy.
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim
"Ny fanompana ny mpino silamo dia fahalotoam-pitondran_tena, ary ny ady aminy dia fikomina."
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim
“Ry olombelona, ​​mibebaha amin’I Allah, fa izaho dia mibebaka Aminy in-jato isan’andro.”
Mari-pototra Notantaraiin'i Moslim
“Raha fantatry ny olona izay ao amin’ny antso sy ny laharana voalohany, ary avy eo dia tsy manan-tsafidy afa-tsy ny manao antsapaka izy ireo, dia hanao antsapaka izy ireo, ary raha fantany izay ao anatin’ny fifindra-monina, dia nihazakazaka ho amin’izany izy ireo, ary raha nahafantatra izay ao amin’ny maizina sy ny maraina izy ireo, dia nanatona izany na dia nandady aza.”
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim
Nanontany an'ilay Irakan'i Tompo Allah Aho ny amin'ny hatsarana sy ny fahotana, dia hoy Izy namaly : " Ny hatsarana dia ny fahatsaran-toetra, ary ny fahotana dia izay tsy mahatony ny ao am-ponao, ary halanao ny haseho amin'ny Olona ".
Mari-pototra Notantaraiin'i Moslim