Skip to content
665 Hadiths

Encyclopedia of Prophetic Hadiths

Filter results

103 of 665 cards

Clear filters
"Ny fianianana dia mampandany entam-barotra, saingy manaisotra tombony."
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim
“Ny devoly dia kivy ny hivavahan’ireo mpivavaka ao amin’ny faritra Arabo misy azy, nefa mbola manenjika azy ireo ihany izy.”
Mari-pototra Notantaraiin'i Moslim
"Izay mitafy lamba landy eto an-tany dia tsy hitafy izany any ankoatra."
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim
"Tsy misy harerahana, na aretina, na adisaina, na halahelo, na haratsiana, na fahoriana mafy mahazo ny mpino silamo, eny na dia ny tsindrona tsilo mahazo azy aza, afa-tsy hoe hamafan'I Allah ampahany amin'ny fahotany izany."
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim
Nisy tambanivohitra iray tonga teo amin'ny Mpaminany (S.A.W) ary niteny hoe : Atoroy ahy ny asa iray, raha manao izany aho dia hiditra any amin'ny Paradisa. Namaly ny Mpaminany (S.A.W) manao hoe : “Manompo an'i Allah ary tsy mampifandray zavatra hafa Aminy, manatanteraka ny soalat, mandoa ny zakat ary mifehy amin’ny Ramadany.” Hoy ilay rangahy : “Mianiana amin’Ilay mitazona ny fanahiko eo an-tanany aho, tsy hanampy hafa ankoatr'izany ve aho. Rehefa lasa izy, dia hoy ny Mpaminany (S.A.W) : “Izay tia hijery olon'ny Paradisa, dia aoka izy hijery io lehilahy io”. miaraka Aminy, ary manao ny vavaka kotobah, aloavy ny zakat, ary mifady hanina ny Ramadany.” Hoy izy: “Amin’Ilay eo an-tànan’ny fanahiko, tsy hanao mihoatra noho izany aho.” Izany, rehefa nodimandry izy, ny Mpaminany. , Andriamanitra anie hitahy azy sy hanome azy fiadanana, nanao hoe: “Na iza na iza te hijery lehilahy iray ao amin’ny Paradisa, aoka izy hijery an’ity.”
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim
"Izay nanohana mpanompo vavy roa mandra-pahatongan'ny fahamatorana, dia izaho sy izy amin'ny andro farany toy izao", ary nanondro ny rantsantanany izy.
Mari-pototra Notantaraiin'i Moslim
"Izay tian'i Allah hahazo ny hatsarana dia atony mahatakatra ny lafiny ara-pinoana, ary izaho dia Mpizara fotsiny, fa i Allah no Mpanome, ary tsy hitsahatra velively ity vahoaka ity hitsangana amin'ny raharaha momba ny Allah ka tsy hampahory azy ireo izay mitsipaka azy ireo, mandrapahatongan'ny didin'i Allah ".
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim
"Aza miarahaba voalohany ireo Jiosy na Kristiana, fa raha mifanena amin'ny anankiray amin'izy ireo eny an-dàlana ianareo, dia tereo amin'ny làlana tery izy ireo."
Mari-pototra Notantaraiin'i Moslim