Skip to content
665 Hadiths

Encyclopedia of Prophetic Hadiths

Filter results

103 of 665 cards

Clear filters
“Ho lazaiko anareo ve ny fahotana lehibe indrindra?”naveriny in-telo". Hoy izy ireo namaly: “Eny, ry irak’i Allah.” Dia hoy izy : “Ny fampirafesana an'I Allah, ny tsy fanajana Ray aman-dreniny.” Nipetraka izy no sady niakina ka niteny hoe : “Tandremo ny fijorona vavolombelona amin'ny lainga.” Tsy nitsahatra namerimberina izany izy, ka nahatonga izahay niteny hoe : Enga anie izy mba hangina.
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim
“Nisy lehilahy iray zatra mampindrana vola tamin’ny olona, ​​ka niteny tamin’ny zanany izy hoe: raha sendra olona sahirana ianao, dia mamelà ny helony, fa angamba hamela ny helontsika ihany koa I Allah, ka rehefa nihaona tamin’I Allah izy dia namela ny helony tokoa i Allah.
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim
“Tsy azon'ny lehilahy atao ny mijery henatry ny lehilahy hafa, ary ny vehivavy tsy mijery ny henatry ny vehivavy hafa, ary ny lehilahy tsy tokony hiray lamba amin’ny lehilahy hafa, ary ny vehivavy tsy mahazo miray lamba amin'ny vehivavy hafa".
Mari-pototra Notantaraiin'i Moslim
Nivoaka teo aminay ny Mpaminany (S.A.W) dia hoy izahay : Ry irak'Allah ô, efa nianatra ny fomba fiarahabana anao izahay, koa ahoana no fomba hangatahanay tso-drano ho anao? Dia hoy izy namaly hoe : “Teneno hoe : Allahomma Soalli à'la Mohammadin Wa à'la à'li mohammadin kama soallaita à 'la Ibrahima Wa à'la aàli Ibrahima Innaka hamidon madjid. Allahomma baarik à 'la Mohammadin wa à'la à 'li Mohammadin kama bà'rakta à 'la Ibrahima wa à'la a'li Ibrahima Innaka hamidon Madjid".
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim
"Fantatrareo ve iza no olona bankirompitra (faillite)?" Namaly izy ireo hoe : bankirompitra aminay dia ireo izay tsy manana dirham na tsy manan-karena, niteny ny Mpaminany (S.A.W) hoe : “Ny olona bankirompitra amin’ny vahoakako, rehefa tonga ny andro farany miaraka amin’ny Swalat, fifehezana, zakat, nefa izy nanompa an'itsy, nanendrikendrika an'itsy, nisoloky fananan'itsy, nandatsa-drà an'itsy, nikapoka an'itsy, ka akana amin'ireo asa soany atolotra an'itsy, ary itsy amin'ny asa soany, rehefa lany ny asa soa vitany mialohan'ny hivitan'ny trosany dia alaina indray ny haratsiana amin’ireo olona nambakainy dia omena azy avy eo atsipy any amin’ny Afobe izy.”
Mari-pototra Notantaraiin'i Moslim
“i Allah dia mankatia ny mpanompo matahotra azy sy manan-karena ary miafinkafina".
Mari-pototra Notantaraiin'i Moslim
"Tena marina fa Allah nandidy amin'ny fanaovana tsara amin'ny zava-drehetra ; ka raha mamono biby ianareo, dia aoka mba hanatsara ny famonoana azy, ary raha manapaka biby fiompy ianareo, dia tapao tsara; ka aoka handrangitra tsara ny Lelan'antsiny ny tsirairay aminareo mba , ary hampiadana ny biby tapahiny ."
Mari-pototra Notantaraiin'i Moslim
Nandeha teny amin'ny làlan'ny Makka ny Mpaminany (S.A.W) ka nandalo teo amin'ny tendrombohitra iray antsoina hoe : "Jomdan", dia hoy izy hoe : Mandehana ianareo fa io i Jomdan, nialoha làlana ireo mofarridona". nanontany ireo mpanara_diany hoe : iza ireo Mofarridona ry irak'i Allah ? dia namaly izy hoe : "Ireo izay mpahatsiaro an'I Allah im-betsaka lahy na vavy".
Mari-pototra Notantaraiin'i Moslim