Skip to content
665 Hadiths

Encyclopedia of Prophetic Hadiths

Filter results

103 of 665 cards

Clear filters
Isaky ny tonga mamangy ny marary i Mpaminany dia manao Doan ho azy manao hoe : “Esory ny fahoriany, ry Tompon’ny olombelona, ​​ary sitrano izy fa Ianao no mpanasitrana, tsy misy fahasitranana afa-tsy ny fanasitrananao, fahasitranana izay tsy mamela ny aretina".
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim
"Tompo Allah dia manome fotoana ho an'ireo mpanao ny tsy rariny mpampahory ny olona mandrampitazomany azy, ka rehefa tazominy dia tsy avotsiny intsony". Niteny izy : avy eo dia namaky ny andininy masina hoe : "Ary toy izany ny hamafin'ny sazin'ny tomponao rehefa mikapoka ireo tanàna mpanao ny tsy rariny. Fa mafy sy manaintaina tokoa ny saziny". [hòd :102]"
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim
“Raha manoaka ny anankiray aminareo, dia aoka hanapina ny vavany ny tànany, satria ny satana dia hiditra ao.”
Mari-pototra Notantaraiin'i Moslim
"Tsy misy mpanompo manafina kileman'ny mpanompo hafa eto an-tany, afa-tsy hafenin'I Allah ny momba azy amin'ny andro fitsanganan'ny maty."
Mari-pototra Notantaraiin'i Moslim
“Rehefa mandre ny mpiantso amin’ny Azan ianareo, dia lazao izay lazainy, dia mivavaha ho ahy, fa izay mivavaka indray mandeha ho ahy, dia hitahy azy impolo Allah, aorian'izany dia angataho amin’Allah ho ahy ny "wasìlat" fa izany dia toerana avo ao amin’ny Paradisa, tsy mendrika ho amin’izany raha tsy mpanompon’Allah iray ihany, ary manantena aho fa izaho no izy, ka izay mangataka amin’Allah ho ahy "wasìlat, dia hahazo ny fanelanelanakol".
Mari-pototra Notantaraiin'i Moslim
"Izay niteny : Là ilàha illal-loàho wahadahòu là Sharìka-laho, lahol-molkou wa lahol-hamdo wa howa an’là kolly Shayin-qadìr, Tsy misy tompo afa-tsy Allah irery ihany, tsy misy mpiara-miasa, ary Azy ny fahefana, Azy ny dera, ary Izy no mahefa amin’ny zavatra rehetra”, im-polo, dia toy ny nanafaka olona efatra amin'ny taranak'i Ismael".
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim
"Tandremonareo ny tsy rariny, fa ny tsy rariny dia ho maizina amin'ny andro farany, ary tandremo ny fahirana, satria ny fahirana no naharendrika ireo talohanareo, ka nahatonga azy ireo nandatsa-drà ary nampa-ara-dàlana ny zava-boarara".
Mari-pototra Notantaraiin'i Moslim
“Ny zon’ny silamo amin’ny silamo namany dia dimy : mamaly ny fiarahabana, mamangy ny marary, manatrika fandevenana, mamaly ny fanasana ary famaliana vavaka ny olona mievina.”
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim