Skip to content
665 Hadiths

Encyclopedia of Prophetic Hadiths

Filter results

7 of 665 cards

Clear filters
" Ny asa rehetra dia miisa Enina, ary ny olona rehetra dia miseho amin'ny endrika Efatra, ary misy didy roa sy ohatra roa, ary ny valisoa dia hampitombona folo avo heny, ary asa soa dia eo amin'ny fiton-jato , fa ny didy roa dia : Izay Maty ka tsy nanakambana an'i Tompo Allah amin'ny zavatra-hafa dia izany Olona izany dia hiditra amin'ny Paradisa, fa izay Maty ka nanakambana an'i Tompo Allah amin'ny zavatra-hafa dia ireny kosa dia hiditra amin'ny Afobe, fa ny mitovy dia izay miheritreritra Hanao asa soa ka tsapany avy ao Am-pony dia ahazoana valisoa iray izany, fa izay Manao asa ratsy kosa dia ahazo valiny iray monja ihany, fa izay Manao asa soa dia mahazo folo, fa izay mamoaka amin'ny làlan'ny Tompo Allah dia ahazo valiso fiton-jato. Fa ny Olombelona dia : Misy manana eto an-tany ary mahantra any amin'ny Andro farany, ary mahantra eto an-tany Sambatra any an-koatra, ary Sahirana eto an-tany sy any ankoatra ary misy koa ny Sambatra eto an-tany sy any ankoatra".
Tsara Notantarain'i Ahmad
Nisy lehilahy iray tonga teo amin’ny Mpaminany (S.A.W) ka niteny hoe : “Assalam Alaikom - Ho aminao anie ny fiadanana" avy eo dia nipetraka izy, ary namaly ny fiarahabany i Mpaminany (S.A.W) ka niteny manao hoe : “Folo” Dia tonga ny iray hafa ka niteny hoe : “Assalam Alaikom Warahamatollahi - Ho aminao anie ny fiadanana sy ny famindram-pon’I Allah, avy eo dia nipetraka, dia namaly ny fiarahabany i Mpaminany (S.A.W) ary niteny hoe : "Roapolo". Ary tonga ny lehilahy fahatelo dia niteny hoe : "Assalam Alaikom Warahmatollahi Wabarakatoh - Fiadanana anie ho aminao sy famindram-pon'I Allah ary ny fahasoavany". Dia namaly azy i Mpaminany (S.A.W) ka niteny manao hoe : "Telopolo".
Tsara Notaterin'i Abou Daòudou sy Tirmizi sy Ahmadi ary Darimi
Nanambara Anay ireo izay nampianatra Anay mamaky ny Boky masina Koroany tamin'ireo Mpiara-dian'ny Mpaminany (S.A.W) fa izy ireo dia mamaky andininy folo tamin'ny Irakan'i Allah (S.A.W), ka tsy manampy andinin'ny folo hafa mihitsy raha tsy efa mahalala ny dikany sy mampihatra azy ireo tsenky aloha, ka Nilaza izy ireo hoe : Azonay ny fahalalana ary nataonay ny asa.
Tsara Notantarain'i Ahmad
Hoy aho, ry irak'Allah : Iza no hajaiko indrindra? Dia namaly izy hoe : “Reninao, avy eo ny reninao, avy eo ny reninao, avy eo ny rainao, avy eo ny akaiky indrindra, ary ny akaiky indrindra.”
Tsara Notantarain'I Abo Daòd, Al-Tirmizì ary Ahmad
"Ny mpino feno sy manam-pinoana indrina dia izay manana toetra tsara, ary ny mendrika indrindra aminareo dia izay mendrika indrindra amin'ny vadiny".
Tsara Notantarain'I Abo Daòd, Al-Tirmizì ary Ahmad
“ Tsy misy mendri-kaja kokoa eo amin’i Tompo Allah ilay avo Tsitoha mihoatra noho ny Fangatahana Douan.
Tsara Notantarain'i al-Tirmizì sy Ibn Màjah ary Ahmad
“Nirahina aho mba hameno ny fitondran-tena tsara.”
Tsara Notaterin'i Boukhari ao amin'ny Al-Adab Al-Moufrad, sy Ahmad ary Al-Bayhaqi