Skip to content
665 Hadiths

Encyclopedia of Prophetic Hadiths

Filter results

13 of 665 cards

Clear filters
Tsy nahita an'ny irak'Allah teo am-pandrina aho tamin'ny alina, Dia nokasihiko izy ary ny tànako dia nahazo teo amin’ny faladian-tongony raha mbola tao amin’ny toeram-pivavahana izy, ary nijoro tsara ireo, dia hoy izy : «Allah ô, mangataka fiarovan'ny fifalina manoloana ny fahatezeranao aho, ary ny famelanao manoloana ny famaizanao, ary mangataka fiarovana Aminao mba tsy ho afaka amin'ny fiderana Anao toy ny nideranao ny tenanao aho".
Mari-pototra Notantaraiin'i Moslim
Niteny ny Mpaminany (S.A.W) isaky ny aorian'ny soalat tsy maintsy atao rehetra manao hoe : “Là Ilàha Illallàho Wahdahò Là Sharìka Laho; Lahol Molko Walahol Hamdo Wahoa A'là Kolli Shai-in Qadìr. . Allahomma là Màni'a' limà à'twaita walà mo'tia limà mana'ta walà yanfa''' Zal djaddi minkal djaddi."
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim
“Teny tenenina ao arian'ny Soalat izay tsy maha fatiantoka ny miteny azy – na manao azy – isaka aorian’ny Soalat dimy : Fiderana telo amby telopolo, fisaorana telo amby telopolo, ary “Takbira” efatra amby telopolo.
Mari-pototra Notantaraiin'i Moslim
Nivoaka teo aminay ny Mpaminany (S.A.W) dia hoy izahay : Ry irak'Allah ô, efa nianatra ny fomba fiarahabana anao izahay, koa ahoana no fomba hangatahanay tso-drano ho anao? Dia hoy izy namaly hoe : “Teneno hoe : Allahomma Soalli à'la Mohammadin Wa à'la à'li mohammadin kama soallaita à 'la Ibrahima Wa à'la aàli Ibrahima Innaka hamidon madjid. Allahomma baarik à 'la Mohammadin wa à'la à 'li Mohammadin kama bà'rakta à 'la Ibrahima wa à'la a'li Ibrahima Innaka hamidon Madjid".
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim
"Ny Mpaminany (S.A.W) dia nanao Doan sy niteny hoe : "Allahomma Innì Aò'zho bika min a'zhàbil-qabri, wamin a'zhàbin-nàri, wamin fitnatil-mah'yà wal-mamàti, wamin fitnatil-masihid-dajjàl". Amin'ny Moslim indray izy miteny hoe : "Rehefa nahavita ny Tashahod farany ny iray aminareo dia mangataha fiarovana amin'ny zavatra efatra : amin'ny sazin'Afobe, sazy ao am-pasana, fitsapana ami'ny fahavelomana sy ny amin'ny fahafatesana, ary ny amin'ny ratsy entin'ilay mpaminany sandoka" dajjal".
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim