Skip to content
665 Hadiths

Encyclopedia of Prophetic Hadiths

Filter results

4 of 665 cards

Clear filters
“Raha mifoha amin’ny torimasony ny anankiray aminareo, dia aoka izy hitsoka ny orony (manadio ny orona) intelo, fa i Satana mandry eo am-bavorony mandritra ny alina”.
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim
Niverina niaraka tamin'ny Irak'Allah (S.A.W) izahay avy any Makkat ho any Madina, rehefa teny an-dàlana izay nahita rano ka nisy andian'olona nihazakazaka hanao soalat Asri, ka nanao ozò izy ireo tao anatin'ny fahamekana, ka tazanay izy ireo fa tsy lenandrano ny voditongotr'izy ireo, dia niteny ny Mpaminany (S.A.W) manao hoe : "Loza ho any amin'ny afobe izay tsy nanasa ny voditongony ary ataovy tsara ny Ozò".
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim
Tatitra azo avy tamin'i Homràn, mpanampin’i O'thman bin 'Affàn, fa nahita an’i O'thman bin 'Affan nangataka zinga misy rano hanaovana Ozò izy, dia nandraraka ny rano tamin’ny tànany izy ary nanasa izany in-telo. Avy eo nampidiriny tao amin'ilay zinga ny tanany havanana, avy eo nanotsam-bava izy sy nampiditra rano amin'ny orony ary namoaka izany, avy eo dia nanasa ny tarehiny intelo, ary ny tanany hatreo amin’ny kiho intelo, dia nisafo ny lohany, dia nanasa ny tongony intelo, ka niteny izy manao hoe : Hitako ny Mpaminany (S.A.W) nanao ny ozò toy izao nataoko izao, ary niteny izy hoe : “izay manao ouzò tahaka izao ataoko izao ary avy izy manao soalat roa rakaa', ka tamin'ny fitoniana sy fahadiovam-po no nanaovany azy dia ho avelan'Allah ny fahotana vitany tany aloha".
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim
Nahita an'i Amr bin Abi Hassan aho nanontany an'i Abdollah bin Zaid ny amin'ny ouzon'ny Mpaminany (S.A.W), dia nangataka koveta feno rano izy, ka dia nanao ozoò ho azy ireo tahaka ny an'ny Mpaminany (S.A.W). Nalainy teo aminy ilay koveta dia nanasa ny tànany in-telo izy, dia natsofony tao anatin'ny koveta ny tànany naka rano ka nihotsam-bava sy nanadio ny orony ary namoaka ny rano avy ao anatiny, tamin'ny rano telo raon-tanana kely, avy eo dia nampidiriny tao ny tànany ary nanasa ny tavany in-telo, avy eo nanasa tànana in-droa hatreo amin’ny kiho, dia nampidiriny tao ny tànany ka nosafoiny ny lohany, teo aloha sy aoriana indray mandeha, avy eo izy nanasa ny tongony hatreo amin’ny kitrokeliny.
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim