Skip to content
665 Hadiths

Encyclopedia of Prophetic Hadiths

Filter results

18 of 665 cards

Clear filters
Nahita an'i Amr bin Abi Hassan aho nanontany an'i Abdollah bin Zaid ny amin'ny ouzon'ny Mpaminany (S.A.W), dia nangataka koveta feno rano izy, ka dia nanao ozoò ho azy ireo tahaka ny an'ny Mpaminany (S.A.W). Nalainy teo aminy ilay koveta dia nanasa ny tànany in-telo izy, dia natsofony tao anatin'ny koveta ny tànany naka rano ka nihotsam-bava sy nanadio ny orony ary namoaka ny rano avy ao anatiny, tamin'ny rano telo raon-tanana kely, avy eo dia nampidiriny tao ny tànany ary nanasa ny tavany in-telo, avy eo nanasa tànana in-droa hatreo amin’ny kiho, dia nampidiriny tao ny tànany ka nosafoiny ny lohany, teo aloha sy aoriana indray mandeha, avy eo izy nanasa ny tongony hatreo amin’ny kitrokeliny.
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim
“Tsy misy mpino silamo iray manao Ouzo ka manao izany tsara, avy eo mitsangana mivavaka roa rakat, miatrika tsara izany ny fony sy ny tavany, afa-tsy ny paradisa azo antoka ho azy.” Hoy izy, niteny aho : Tsara tokoa izany. dia, avy eo nisy olona niseho teo anatrehako, niteny hoe : Ilay teo aloha no tsara kokoa, ka nijery azy aho, ka i Omar no niteny hoe : Hitako vao tonga teo ianao, hoy izy : “Tsy misy na iray aminareo manao Ozo feno - na manao azy tsara - navy eo miteny hoe : Ash'ahdo an-lailaha illaho wa anna Mohammadan Rasolollahi- izay midika hoe : Izaho dia mijoro ho vavolombelona fa tsy misy tompo marina afa-tsy Allah ary i Mohammad dia mpanompon’I Allah sy iraka avy Aminy, afa-tsy ny vavahady valon’ny Paradisa no misokatra ho azy, ary afaka miditra amin’izay tiany izy”.
Mari-pototra Notantaraiin'i Moslim