Skip to content
665 Hadiths

Encyclopedia of Prophetic Hadiths

Filter results

132 of 665 cards

Clear filters
"Tsy misy soalat ho an'izay tsy mamaky ilay fanokafana ny Boky - Sourat Al-Fatiha".
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim
"Ny finoana silamo dia miorina amin'ny zavatra dimy : ny fijoroana ho vavolombelona fa tsy misy tompo afa-tsy Allah, ary i Mohammad dia mpanompony sy irany, manangana ny swalat, mamoaka zakat, manao Hajj any amin'ny trano masina ary ary mifehy amin'ny Ramadany".
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim
Niteny ny irak'Allah tamin'ny vehivavy iray avy amin'ny Ansôara izay nantsoin'i Ibn A’bbàs tamin'ny anarany, saingy adinoko ny anarany : "Inona no manakana anao tsy hanao Hajj miaraka aminay?" Namaly izy hoe : Tsy nanana afa-tsy rameva roa izahay, ka lasan'ny rain-janany sy ny zanany ny rameva iray hanavaon'izy roa Hajj ary namela rameva iray hikarakaranay ny volinay, dia niteny i Mpaminany (S.A.W) manao hoe : "Rehefa tonga ny Ramadany dia manaova Oumra ianao, satria ny Oumra amin'io volana io dia mitovy amin'ny Hajj".
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim
"Ny zava-mahamamo rehetra dia toaka, ary ny zava-mahamamo rehetra dia voarara, ary izay misotro toaka eto an-tany ka maty amin'ny fiankinan-doha amin'izany ary tsy nibebaka, dia tsy hisotro izany any ankoatra."
Mari-pototra Notantarain'i Moslim, ary notaterin’i Al-Bokhari ny fehezanteny farany tamin'izany
Isaky ny miditra ao amin’ny trano fivoahana ny Mpaminany (S.A.W) dia miteny hoe : “Allahomma innì ao'zho bika minal-khobthi wal-khabàiith - izay midika hoe : Allah ô, mangataka fiarovana aminao aho amin’ireo devoly lahy sy devoly vavy".
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim
"Izay tonga manatrika ny Swalat jom'an dia aoka izy hisaika".
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim
Izaho dia lehilahy mora ivoahan'ny "Madhi" (tsiranoka amin'ny filahiana) ary menatra ny hanontany an'ny Mpaminany (S.A.W) noho izaho manambady ny zanany vavy ka naniraka an'i Miqdad Ibn Al-Aswad hanontany azy aho, dia hoy ny Mpaminany (S.A.W) namaly hoe : "Sasany ny henatrany avy eo dia manao ozò izy". Amin'ny Bokhari kosa dia: Niteny ny Mpaminany (S.A.W) hoe : "Manaova ouzò ary sasao ny henatrao".
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim
“Izay nanadino hoe izy mifehy ka tafihinana sy tafisotro, dia aoka izy hanohy ny fifehezany satria i Allah no nampihinana sy nampisotro azy”.
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim