Skip to content
665 Hadiths

Encyclopedia of Prophetic Hadiths

Filter results

14 of 665 cards

Clear filters
“Hozonin’I Allah anie ny Jiosy sy ny Kristianina noho ny fakan'izy ireo ny fasan’ny mpaminaniny ho toeram-pivavahana". Hoy i Aisha : Raha tsy izany, dia naharihary ny fasany, saingy natahotra izy sao hatao moske.
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim
" Aza manompa ny maty, fa efa nahavita izay nataony avokoa izy ireo."
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari
Ry irak'Allah ô, hitanay fa ny asa tsara indrindra dia ny ady masina, ka tsy tokony handeha hiady ve izahay? Dia hoy izy namaly : "Tsia, fa ny ady masina tsara indrindra dia : ny Hajj madio."
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari
Fady amin'ny alalan'ny fampinonoana izay zavatra fady amin'ny alalan'ny rohim-pihavanana.
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim
Nitantara tamin'ny irak'Allah i Ommou Salama momba ny fiangonana hitany tany amin'ny tanin'i Abyssinia, antsoina hoe Maria, ka nolazainy taminy ny zavatra hitany tao momba ny sary vongana. Dia niteny i Mpaminany (S.A.W) manao hoe : “Ireo dia olona izay, rehefa maty eo amin’izy ireo ny mpanompo mendrika na olo-marina, dia anorenan'izy ireo moske eo ambonin’ny fasany, ary anamboaran'izy ireo sary eo aminy, ireo no zavaboary ratsy indrindra eo imason’I Allah”.
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim
Tsy nivavaka mihitsy ny Mpaminany (S.A.W) taorian'ny fidinan'ny Sorat : {Rehefa tonga ny fandresen'I Allah sy ny fanokafana} [Al-Nasr: 1] afa-tsy hoe nampanarahiny teny hoe : "Voninahitra ho Anao ry Tomponay, ary ho Anao anie ny fisaoarana Allah ô, mamelà ahy.”
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim
Rehefa tonga ny folo andro farany, dia namelona ny alina ny irak'Allah, namoha ny fianakaviany, ary nanamafy sy namehy ny sikiny.
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim
Ny Mpaminany (S.A.W) dia tsy namela rakaat efatra alohan'ny mitataovovonana sy roa rakaat alohan'ny maraina.
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari