Skip to content
665 Hadiths

Encyclopedia of Prophetic Hadiths

Filter results

14 of 665 cards

Clear filters
"Ny finoana dia fananarana". Dia nanontany izahay hoe : Ho an'iza? Namaly izy hoe : Ho an'i Allah sy ny bokiny, ny Irany, ireo mpitarika ary ho an'ny vahoaka silamo tsy ankanavaka".
Mari-pototra Notantaraiin'i Moslim
" Manoro hevitra Anareo Aho ny mba hatahotra an'i Tompo Allah, ary hihaino sy hendry ary hankatò Azy, ary raha misy andevo voatendry hifehy sy hibaiko ary hitondra Anareo dia ankatoavinareo izany. Fa izay mbola ho velona sy hahazo fivelomana lava Aminareo avy ao aoriako dia hahita ny olana sy disadisa ary tsy fitovian-kevitra be dia be. Koa arahonareo ihany ny Sonnah-ko sy ny Sonnahn'ireo Kalifa Mpitari-dalana Anareo, ary mifikira mafy amin'izany Ianareo ara-drariny, ary tano sy tazominareo mafy izany, ary mitandrema amin’ny zava-baovao rehetra izay noforonina, fa izany dia fahaverezana”.
Mari-pototra Notantarain'I Abo Daòd sy Tirmizì
"Ny finoana dia fananarana". Dia nanontany izahay hoe : Ho an'iza? Namaly izy hoe : Ho an'i Allah sy ny bokiny, ny Irany, ireo mpitarika ary ho an'ny vahoaka silamo tsy ankanavaka".
Mari-pototra Notantaraiin'i Moslim
" Tsy misy mpanompo nomen’i Allah fitantanana ny olony, ka maty nefa namitaka ny olom-peheziny, afa-tsy hoe noraran'i Allah aminy ny Paradisa".
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim
“Hisy vokany sy raharaha izay holavinareo.” Hoy izy ireo : Ry irak’Allah ô, inona no andidianao anay? Hoy izy : “Hataonareo izay adidy tokony ho anareo, ary mangataka amin’Allah izay anareo.”
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim
“Izay miala amin’ny fankatoavana ary misaraka amin’ny vondron'ny maro ka maty, dia maty toy ny fahafatesan’ny olona tamin'ny fotoan'ny fahabadoana, ary izay miady eo ambany fanevan'ny hajambana, tezitra noho ny fokony, ​​na miantso ady noho ny fokony, ​​na manohana an'ady ny fokony ka maty, dia maty toy ny fahafatesana tamin'ny fotoan'ny habadoana (anaty fahaverezana), ary izay mikomy ny vahoakako, ka mamono ny olo-mendrika sy ny olon-dratsy ao aminy, ary tsy miraharaha ny mpino ao aminy, ary tsy mahatanteraka ny fanekena nifanaovany tamin'izay nanaovany izany (ireo olona tsy mpino eo ambany fiahian'ny mpino), ka dia tsy momba Ahy izy, ary Izaho tsy momba azy”.
Mari-pototra Notantaraiin'i Moslim