Skip to content
665 Hadiths

Encyclopedia of Prophetic Hadiths

Filter results

8 of 665 cards

Clear filters
" Raha marary na mandeha lavitra ny Mpanompo iray, dia ho soratana ho azy ny valisoa mitovy amin'izay nataony fony izy teo an-tanàna sy Izy salama tsara ".
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari
"Isaky ny vanin-taolana eo amin'ny olombelona dia misy fanomezana avokoa, isaky ny miposaka ny masoandro ka nanao fahamarinana eo anatrehan'ny olona roa dia fanomezana, ny fanampiana ny olona amin'ny biby fitaingenany ka mampiakatra na mitondra ny enta-mavesatrany dia fanomezana, ny teny mamy dia fanomezana, ary isaky ny famindra iray atao makany amin'ny moske dia fanomezana, ary fanalana zava-maranitra eny an-dàlana dia fanomezana".
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim
Rehefa ho faty i Abo Talib dia tonga tao aminy ny Irak'i Allah (S.A.W) ka nahita an'i Abo Jahl sy Abdollah bin Abi omayyah bin Moghirah teo aminy, dia hoy izy hoe : «Ry dadatoa,: lazao hoe : Tsy misy tompo mendrika ho tompoina afa-tsy Allah, teny izay hiadiako hevitra ho anao amin’i Allah.” Dia hoy Abo Jahli sy Abdollah bin Abi Omayyah : Tsy ho tianao intsony ve ny finoan’i Abdol Mottalib? tsy mitsahatra hatrany ilay Irak'Allah mampiteny azy izany ary naverimberin'izy roa tamin'i Abo Talib ihany koa ny teniny, Mandra-pahatongan'i Abo Talib nilaza ny teniny farany tamin'izy ireo hoe : Manaraka ny fivavahan'i Abdol Mottalib aho, ary nandà ny hiteny: Tsy misy tompo mendrika ho tompoina afa-tsy i Allah. Hoy ny Mpaminany (S.A.W) : “Mianiana amin'I Allah aho fa hangataka famelan-keloka ho anao tokoa raha mbola tsy voarara amin'izany.” Teo dia nampidinin'i Allah ilay andininy masina nanambara hoe : Tsy anjaran'ny Mpaminany sy ireo mpino ny mangataka famelan-keloka ho an'ireo mpampitambatra (mpanompo sampy) [At-Taobah: 113], ary nampidinin'Allah tamin'i Abo Twalib ity andininy masina ity izay milaza amin'ny Mpaminany (S.A.W) hoe : {Tsy mitarika izay tianao ianao (ry Mohammad), fa Allah no mitari-dàlana izay tiany} [Al-Kasas: 56].
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim
Tokony hamoahana Soadaka avokoa ireo tonontaolana rehetra misy eo amin'ny vatan'ny Olombelona, isan'andro vaky izay hiposahan'ny masoandro; ary ny fampihavanana amin'ny endrika marina eo amin'Olon-droa tsy mifankahazo dia efa Soadaka; ny fanampiana ny Olona amin'ny lafiny fandaisana Azy eo amin'ny biby fitainginy dia Soadaka, na dia amin'ny fanampiana Azy fotsiny mba hiakatra ambonin'izany dia Soadaka, na koa amin'ny fibatana ireo entany ho eo ambonin'izany; ny teny tsara sy mamy aloakany vava dia Soadaka; isakin'ny famindra atao rehefa mandeha mamonjy Soalat dia Soadaka; ny fanalana an'izay manelingelina ny rehetra eny an-dàlana dia Soadaka.
Mari-pototra Notaterin’i Boukhari sy Mouslimo
Nanao ny vaky kabariny tamin’ireo olona ilay irak'Allah (S.A.W) tamin’ny andro nahazoana ny tanànan'ny Lameka ka nanao hoe : “Ry vahoaka (mpino), nesorin’Allah taminareo ny vesatry ny habadoana sy ny fanomezanareo voninahitra ny razanareo noho izany, fa ny olombelona dia misy karazany roa : mpino, manam-patahorana, be voninahitra manoloana an’Allah, sy ny tsy matahotra an’Allah, ory, tsisy fotony eo anatrehan’Allah, ary ny olona rehetra dia taranak’Adama, Ary avy tamin’ny tany no niharian’Allah an’Adama. Hoy i Allah manao hoe : "Ry olombelona! Noharianay avy amin'ny lahy sy vavy ianareo, ary nataonay ho vahoaka sy foko maro, mba hifankahalalanareo. Fa ny mendrika indrindra aminareo eo anatrehan'Allah, dia izay vontompinoana indrindra. Fa Mahalala sy Mahafantatra tsara ny zavatra rehetra Allah.” [Al-Hojràty: 13].
Mari-pototra Notantarain'i Al-Tirmizì sy Ibn Hibbàn
“Ampahafantaro ny olona ny avy aty amiko na dia andininy iray monja aza, ary tantarao ny momba ireo Zanak’Isiraely fa tsy misy tsiny ny amin'izany, ary na iza na iza minia mandainga ny amiko, dia aoka hanomana ny seza hipetrahany mandrakizay ao amin'ny Afobe".
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari
Raha mbola niara-nipetraka tamin'ny Mpaminany (S.W.A) Izahay, tao amin'ny Mosque, dia nisy Lehilahy iray niditra nitaingina rameva ary nifatorany ilay rameva izay noentiny. Avy eo nanontany ireo Soahaba Izy ka nanao hoe : Iza Aminareo no Mohammadi ? Ary i Mpaminany (S.W.A) mipetraka manelanelan'ny vahoaka, dia Niteny Izahay hoe : io lehilahy fotsy mipetraka io, ka Niteny taminy ilay Lehilahy hoe : O Ry ibn A'bdoul Mottàlib ! Namaly i Mpaminany (S.W.A) : Maheno Anao Aho, Niteny ilay Lehilahy : hanontany Anao Aho ary ho entitra amin'ilay fanontaniako ka aza tezitra Amiko Ianao. Niteny Izy : Anontanio izay ilainao, Dia hoy Izy : Manontany Anao Aho amin'ny Tomponao sy Tompon'ny teo aloha, i Tompo Allah marina no naniraka Anao ho amin'ny Olona rehetra ? Namaly Izy : Eny ! Tompo Allah tokoa. Niteny ilay Rangahy : Miangavy Anao Aho amin'ny anaran'i Tompo Allah, Allah marine ve no naniraka Anao ny hivavahanay in-dimy isan'andro, Namaly Izy : Eny ! Tompo Allah tokoa. Niteny Izy : Miangavy Anao Aho amin'ny anaran'i Tompo Allah, i Allah marina no naniraka anao hampifehy Anay iray volana mandritry ny taona ? Namaly Izy : Eny ! Tompo Allah tokoa. Niteny ilay Rangahy : Miangavy Anao Aho amin'ny anaran'i Tompo Allah, i Tompo Allah tokoa ve no naniraka Anao ny hamoahanay amin'ny ampahan-karenay omena ny mahantra Aminay ? Namaly i Mpaminany (S.A.W) : Eny ! Tompo Allah tokoa. Hoy ilay Lehilahy : “ Mino ny zavatra nentinao Aho, ary iraka avy amin’ny vahoakako ao aorianako Aho, ary izaho dia Dhamam Ibn Thaalabah, avy amin'ny foko Banu Saad bin Bakr.
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim
“Ny finoana dia mora, ary izay manenjana ny finoana dia ho resiny, koa avereno izany, ary manatòna, manaova teny mahafaly, ary mitadiava fanampiana amin’ny maraina sy amin’ny atoandro, ary amin'ny alina".
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari