Skip to content
665 Hadiths

Encyclopedia of Prophetic Hadiths

Filter results

11 of 665 cards

Clear filters
Misy toetra efatra, izay Olona misy azy ireo dia lazaina fa mpihatsaravelatsihy, ary raha ampahany amin'izany no misy Aminy dia misy toetran'ny mpihatsaravelatsihy ihany Izy mandra-pamelany izany toetra izany : Olona izay mandainga rehefa miresaka, tsy manatanteraka ny teniny rehefa mampanantena zavatra, miala lalana (tsy milaza ny marina fa mitaky izay tsy Azy na mandà ny zon'ny hafa Aminy) rehefa misy disadisa, ary mahasahy mivadika rehefa manao ny fifanekena amin'ny zavatra.
Mari-pototra Notaterin’i Boukhari sy Mouslimo
“Mitandrema amin’ny fahotana madinika, fa ny ohatry ny fahotana madinika dia ny an’ny olona izay nidina tany amin’ny lohasaha lalina, ka nisy olona tonga nanototra teo amin’ny toerana iray, ary nisy olona tonga nanototra teo amin’ny toerana iray, mandra-pahafenon'izany. "Ka ny fahotana madinika dia ho sazina ny mpanao azy ka ho rendrika".
Mari-pototra Notantarain'i Ahmad
“Izay manana toetra efatra ireto dia tena mpihatsaravelatsihy madiodio, ary izay manana ny iray amin’ireo dia manana toetra fihatsarambelatsihy mandra-pialany aminy : Raha miteny izy dia mandainga, raha manao fanekena izy dia mamitaka, raha mampanantena dia mivadika, ary raha mifanolana amin'ny olona dia mihoam-pefy.
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim
"Rehefa mampifanena sabatra ny mpino Islamo roa, dia samy any amin'ny Afobe avokoa na ny mpamono na ilay maty", Niteny aho hoe : Fa ahoana momba ilay novonoina? Namaly Izy manao hoe : "Satria izy niezaka mafy hamono ny rahalahiny".
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim
“Nisy lehilahy naratra teo alohanao, ka natahotra izy, dia naka antsy ka notapahiny ny tànany, ary tsy nitsahatra ny rà mandra-pahafatiny. Niteny I Allah manao hoe : Nihazakazaka nanatona Ahy tamin’ny tenany ny mpanompoko, ka norarako ho azy ny Paradisa”.
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim
“ Ialao avokoa ireo fahotana fito izay maharendrika .” ka Niteny avokoa ireo Mpanara-diany Mpaminany ( S.A.W) manao hoe : Ry iraka mahafatokin'i Allah O ! ka mba inona avokoa moa ary izy ireo? dia namaly Izy ka Niteny hoe : “Ny fanakambanana ny fanompoana an’i Allah amin'ny zavatra hafa, ny filalaovana ireo Aody mahery, ny famonoan'Olona tsy amin'ny rariny izay noraran’i Tompo Allah afa-tsy amin’ny fahamarinana ihany, fihinana ny zana-bola, fihinana ny volan’ireo kamboty, ary fandosirana amin’ny Ady masina, fanendrikendrehana ireo vahoaka Mpino vavy madio ara-mpitondran-tena .”
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim
“Ny ohatry ny namana tsara sy ny namana ratsy dia toy ny mpivarotra ranomanitra Misk sy mpanefy vy, ny mpivarotra Misk : na omeny ianao na mividy aminy na maheno fofona manitra fona, fa ny mpanefy vy : na mandoro ny lambanao, na maheno fofona ratsy".
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim
“Voavela avokoa ny vahoakako afa-tsy izay nanao ampahibemaso ihany. Ary anisan’ny fisehoana ampahibemaso, ny fanaovan'ny olona zavatra amin’ny alina, dia nosaronan’i Allah izany nefa nony maraina, dia hoy izy : Nanao zavatra izao sy izao aho omaly, nefa ny tompony dia nanarona azy nandritra ny alina, ary nony maraina dia nesoriny ny fanakonan’i Allah azy”.
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim