Skip to content
665 Hadiths

Encyclopedia of Prophetic Hadiths

Filter results

13 of 665 cards

Clear filters
"Tsy misy biby, na vorona, na androngo, na tsintsina, fa mandosira ireo boka ianareo tahaka ny fandosiranao ny liona."
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim
Nanontany an'ilay Irakan'i Tompo Allah Aho ny amin'ny hatsarana sy ny fahotana, dia hoy Izy namaly : " Ny hatsarana dia ny fahatsaran-toetra, ary ny fahotana dia izay tsy mahatony ny ao am-ponao, ary halanao ny haseho amin'ny Olona ".
Mari-pototra Notantaraiin'i Moslim
"Mifototra amin'ny finiavana ny asa rehetra, ary izay nokasainy ihany no valisoa ho azon'ny olona iray. Koa na iza na iza nanao fifindra-monina mankany amin'i Tompo Allah sy ny Irany, dia hahazo valisoan'ny fifindra-monina any amin'i Tompo Allah sy ny Irany, ary izay nanao fifindra-monina nohon'ny fiainana ety an-tany na vehivavy ho vadiny, dia noho izany tokoa no valisoa ho azony tamin'ilay fifindra-monina izay nataony”.
Mari-pototra Notaterin'ireo Imamo roa lehibe amin'ny Hadith: Abo Abdillah, Mohammad ibn Ismail ibn Ibrahim ibn Al-moghirah ibn Bardizbah Al-bokhari, sy Abo Al-hosain, Moslimo ibn Al-hajjaj ibn Moslimo, Al-qoshairi An-naisaabori; ao amin'ny bokin'izy roa, izay marina indrindra amin'ny boky nosoratan'olombelona (momba ny Hadith).
"Aza manaiky ho faty ny iray aminareo afa-tsy efa nanatsara ny heritreriny amin'I Allah izy".
Mari-pototra Notantaraiin'i Moslim
"Mifototra amin'ny finiavana ny Asa rehetra, ary izay nokasainy ihany no valisoa ho azon'ny Olona iray. Koa na iza na iza nano fifindra-monina mankany amin'i Allah sy ny Irany, dia hahazo valisoan'ny fifindra-monina any amin'i Allah sy ny Irany, ary izay nanao fifindra-monina nohon'ny fiainana ety an-tany na vehivavy hovadiny, dia noho izany tokona no valisoa ho azony tamin'ilay fifindra-monina nataony”. Ary amin'ny fanambarana nataon'i Al-Bokhari : " Ny Asa dia miainga amin'ny finiavana, ary ny Olona tsirairay dia samy hahazo valisoan'ny fikasany".
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim