Skip to content
665 Hadiths

Encyclopedia of Prophetic Hadiths

Filter results

13 of 665 cards

Clear filters
"Ny hatsarana dia ny fananana toetra mendrika, ary ny fahotana dia izay mampijaly eritreritranao ary tsy tianao hitan'ny Olona .
Mari-pototra Ny Hadith voalohany: Notantarain'i Moslim, ary ny Hadith faharoa: Notantarain'i Ahmad sy Ad-Darimi.
“Ny mpino matanjaka dia tsara sy tian’i Allah kokoa noho ny mpino malemy, ary ny rehetra dia tsara avokoa. Miezaha hanao izay hahasoa anao, ary mitadiava fanampiana amin’i Allah fa aza manaiky resy, ary raha misy zavatra manjo anao, dia aza miteny hoe : "Raha mba nanao izao sy izao aho". Fa lazao hoe : “Lahatr’i Allah ary izay sitrapony no ataony.” Eny tokoa fa ny teny “raha” dia manokatra ny asan’i Satana".
Mari-pototra Notantaraiin'i Moslim
Nisy lehilahy iray nanontany ny Mpaminany (S.A.W) momba ny ora farany manao hoe : Rahoviana ny ora farany? dia namaly izy : “Mba inona no nomaninao ho amin’izany?” Hoy ilay rangahy : Tsy misy na inona na inona afa-tsy ny fitiavako an’I Allah sy ny irany. Dia hoy ny Mpaminany (S.A.W) : "ianao dia miaraka amin'izay tianao". Hoy i Anas : Tsy nisy teny nahafaly anay mihoatra io tenin’ny Mpaminany (S.A.W) hoe : “Ianao dia miaraka amin’izay tianao". Mbola niteny i Anas manao hoe : "Tiako ny Mpaminany (S.A.W) sy i Abo Bakr ary i Omar, ary manantena ny hiaraka amin’izy ireo aho noho ny fitiavako azy ireo, na dia tsy manao asa soa goavana toy ny nataon'izy ireo aza aho.
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim
"Rehefa mampifanena sabatra ny mpino Islamo roa, dia samy any amin'ny Afobe avokoa na ny mpamono na ilay maty", Niteny aho hoe : Fa ahoana momba ilay novonoina? Namaly Izy manao hoe : "Satria izy niezaka mafy hamono ny rahalahiny".
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim
"Niteny tompo Allah ilay avo Tsitoha : Izaho mahaleo tena tsy mila mpiara-miombina amiko, izay manao asa fanompoana ka nanambarany ahy amin'ny hafa dia havelako izy sy ny asany".
Mari-pototra Notantaraiin'i Moslim
"Tena marina fa Allah dia tsy mijery ny tarehinareo sy ny harenanareo, saingy ny fonareo sy ny asanareo no jereny."
Mari-pototra Notantaraiin'i Moslim
“Tsy ho tena mpino ny iray aminareo raha tsy efa mankatia ahy mihoatra ny rainy sy ny zanany ary ny olombelona rehetra.”
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim
"Izay mangataka amin'I Allah ho maty maritiora amin'ny fahamarinana, dia homen'I Allah azy ny toeran'ny maritiora, na dia maty eo am-pandriany aza izy."
Mari-pototra Notantaraiin'i Moslim