Skip to content
665 Hadiths

Encyclopedia of Prophetic Hadiths

Filter results

15 of 665 cards

Clear filters
“Ao amin’ny Paradisa dia misy ambaratonga zato, ary ny elanelan’ny ambaratonga roa dia mitovy amin’ny elanelan’ny lanitra sy ny tany, ary ny AL-FIRDAWS no avo indrindra, ary avy ao no miboiboika ny loharano efatra ao amin’ny Paradisa, ary avy ao amboniny no hisy ny seza fiandrianana, Koa raha mangataka amin’I Allah ianao, dia angataho Aminy ny AL-FIRDAWS”.
Mari-pototra Notantarain'i Al-Tirmizì
I Mpaminany (S.A.W) dia tsy mbola namela ireto Doan ireto isaky ny hariva sy ny maraina : "Allah ô, mangataka aminao aho mba hahita soa eto an-tany sy ny any ankoatra, Allah ô! Mangataka famelan-keloka sy fiadanan-tsaina aminao aho amin’ny finoako, ny tontoloko, ny fianakaviako, ary ny harenako, Allah ô, sarono ny kilemako – na : ary arovy ny zava-fahotako, Allah ô, arovy ny eo anoloako sy ny any aoriako, any ankavanako sy ny ankaviako, ary any amboniko ary mangaraka fiarovana aho mba tsy ho vonoina avy ambaniko".
Mari-pototra Notantarain'i Abo Daòd, Al-Nasàì, Ibn Màjah, ary Ahmad
"Allah ô! Mangataka Aminao aho ny amin’ny soa rehetra: ny ankehitriny sy ny ho avy, izay fantatro ny momba azy na tsy fantatro, ary mangataka fiarovana Aminao aho amin’ny ratsy rehetra, na ny ankehitriny sy ny ho avy, izay fantatro ny momba azy na tsy fantatro. Allah ô! Mangataka Aminao ny soa nangatahin’ny mpanomponao sy ny Mpaminaninao taminao aho, ary mitady fiarovana Aminao aho amin’ny ratsy izay nangatahan'ny mpanomponao sy Mpaminaninao fiarovana taminao ny momba azy. Allah ô! mangataka Aminao ny Paradisa aho, ary na inona na inona teny na asa izay mampanakaiky ahy amin’izany, ary mitady fiarovana Aminao aho amin’ny Afobe sy izay rehetra mampanakaiky azy amiko. ary mangataka Aminao aho mba tsara daholo ny didy izay nalahatrao amiko".
Mari-pototra Notantarain'i Ibn Màdjah sy Ahmad
"Allah ô! Tsy milavolefona aho afa-tsy Aminao, sy Ianao ihany no inoako, Ianao ihany no itokiako, Ianao ihany no iverenako (ibebahako) ary noho Ianao ihany no iadiako. Allah ô! mitady fiarovana amin'ny Voninahitrao, tsy misy Tompo marina afa-tsy Ianao, mba tsy havilinao làlana aho; Ianao no ilay Velona tsy mba maty, ny Djiny sy ny olombelona dia ho faty avokoa".
Mari-pototra Nifanekena, ary ity dia arakan'ny fomba voalaza ao amin'ny Moslim, ary notaterin'i Bokhari nohafohezina.
"Allah ô! Mitady fiarovana Aminao aho amin'ny fanjavonan'ny fahasoavanao, ny fiovan'ny fahasalamana avy Aminao, ny fahatampohan'ny valifatinao, ary ny fahatezeranao rehetra.
Mari-pototra Notantaraiin'i Moslim
Ny Douan matetika nataon’ny Mpaminany (S.A.W) dia ny hoe : “Rabbana Àtina fì donia hassanatan wafil-àkhiraty hasanatan wakina azaban nary - izay midika hoe : Tomponay ô, omeo anay ny hatsarana eto an-tany sy ny soa any an-koatra, ary arovy amin’ny sazin’ny afobe izahay”.
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim
“Ny fon’ny zanak’i Adama dia eo anelanelan’ny rantsan-tànan’Ilay Mpamindra fo, toy ny fo iray, ary ataony amin’izay tiany hatao izany.” Avy eo niteny i Mpaminany (S.A.W) manao hoe : “Tompo Allah ô! Ianao no Mpamadibadika ny fo, ka apetraho eo amin'ny fankatoavana anao ny fonay".
Mari-pototra Notantaraiin'i Moslim
Ny irak'Allah dia matetika no niteny hoe : "Ry mpamadika fo, ataovy mafy orina amin'ny finoanao ny foko.", dia hoy aho hoe : O ry irak'Allah! Mino an'I Allah izahay sy izay noentinao ka matahotra ny aminay ve ianao? Namaly izy (S.A.W) : “Eny, ny fo dia eo anelanelan’ny rantsantanan’I Allah roa ka avadibadiny arak'izay tiany".
Mari-pototra Notantarain'i Al-Tirmizì sy Ahmad