Skip to content
665 Hadiths

Encyclopedia of Prophetic Hadiths

Filter results

4 of 665 cards

Clear filters
Tonga tany amin’ny Mpaminany (S.A.W) izy ary niteny hoe : Ry irak’Allah ô! Noelanelanin'ny Satana amin'ny fivavahako sy ny famakiako aho, nosaromany tamiko izany. Niteny ilay Irak'Allah (S.A.W) hoe : "izany dia devoly antsoina hoe Khinzab, ka raha tsapanao izy dia mitadiava fiarovana amin’Allah amin’izany, ary tsofy amin’ny tànanao ankavia intelo.”, hoy izy : “Dia nataoko izany, ka nesorin’Allah tamiko izy.
Mari-pototra Notantaraiin'i Moslim
Tonga tao amin'ny Mpaminany (S.A.W) i Fatima (R.A), ka nitaraina taminy ny dian'ny vato fitotoam-bary teny an-tànany, ary henony fa nisy andevo tonga tao amin'ny Mpaminany (S.A.W) saingy tsy tratrany izy, ka nolazainy tamin'i Aisha (R.A), ka rehefa tonga izy dia nolazain'i Aicha taminy,nilaza izy: Tonga tany aminay izy, ary efa teo am-pandrina izahay, ka nitraka hitsangana izahay, dia hoy ny Mpaminany (S.A.W) hoe : "mijanona eo amin'ny toeranareo ianareo roa" ary nipetraka teo anelanelanay roa mandra-pahatsapako ny fangatsiahan’ny tongony teo amin’ny kiboko, dia niteny izy hoe : “Tsy ho lazaiko aminareo roa ve ny zavatra tsara kokoa noho izay nangatahinareo tamiko? Rehefa miakatra eo am-pandrina ianareo roa - na rehefa nikasa handeha hatory - dia mitenena hoe : "Sobhaanah" in-telo amby telopolo, "Alhamdolillahi" in-telo amby telopolo, ary "Allaho Akbar" in-efatra amby telopolo, izany dia tsara lavitra aminareo roa mihoatry ny mpanampy."
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim
Nipetraka niaraka tamin’ny Mpaminany (S.A.W) aho, ary nisy roa lahy nanontany, ny tarehin’iray tamin’izy ireo nivaramena ary nivonto ny lalan-drany, ka hoy ny Mpaminany (S.A.W) : "Fantatro ny teny iray fa raha miteny izany izy, dia hiala aminy ny olana. Raha niteny izy hoe : Mangataka fiarovana amin'IAllah manoloana an'i Satana aho, dia hiala aminy ny olana" Dia hoy izy ireo taminy : ny Mpaminany (S.A.W) niteny hoe “Mitadiava fiarovana amin’I Allah manoloana ny Satana.” Dia hoy izy : Very saina ve aho?
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim
"Izay mijanona amin'ny toerana iray avy eo niteny manao hoe : (An-oudhou Bikalimàtillahy-Tammàty min Sharry mà Khalaq) izay midika hoe : "Mangataka fiarovana amin'ny tenin'Allah tonga lafatra aho amin'ny faharatsian'ny zavatra noforoniny", dia tsy hisy hanisy ratsy azy mandra-pialany amin'izany toerany izany."
Mari-pototra Notantaraiin'i Moslim