Skip to content
665 Hadiths

Encyclopedia of Prophetic Hadiths

Filter results

48 of 665 cards

Clear filters
"Nodidiana aho hiady amin'ny olona mandra-pijoroan'izy ireo ho vavolombelona fa tsy misy tompo afa-tsy Allah, ary i Mohammad dia irak'Allah, ary manangana ny soalat sy mandoa zakat, raha manao izany izy ireo dia voaro amiko ny ràn'izy ireo sy ny fananany, afa-tsy ny zon'ny silamo, ary ny fitsarana azy ireo dia any amin’I Allah.”
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim
Izay zavatra rehetra nandrarako Anareo dia ihatahonareo, ary izay zavatra rehetra nanirahako Anareo dia ataovinareo izay mety vitanareo amin'izany; Satria ny naharingana ireo Olona talohanareo dia ny hamaroan'ny fanontaniana sy ny fifandiran'izy ireo tamin'ireo mpaminanin'izy ireo.
Mari-pototra Notaterin’i Boukhari sy Mouslimo
"Matahora an'i Tompo Allah na aiza na aiza ny toerana misy anao, ary ampanaraho asa tsara ny asa ratsy mba hamafa izany, ary miaraha miaina amin' olona amin'ny toetra mendrika".
Hoy At-tirmizii: Hadith Hassan. Notantarain'i Al-Tirmizì
Niteny i Mpaminany (S.W.A) araka ny fanambarana izay azony tamin'Allah ilay avo Tsitoha "Ry Mpanompoko! Nataoko fady Ahy ny fanaovana ny tsy rariny, ary nataoko fady eo aminareo ihany koa, ka aoka tsy hifanao ny tsy rariny ianareo. Ry Mpanompoko! Very avokoa aanareo afa-tsy izay nahitsiko, ka mangataha fahitsiana aty Amiko dia hanitsy Anareo Aho. Ry Mpanompoko! Noana avokoa aanareo afa-tsy izay nampihinaniko, ka mangataha sakafo Amiko dia hampihinana anareo Aho. Ry Mpanompoko ! Niboridana daholo anareo afa-tsy izay nampitafiako, ka mangataha fitafiana Amiko ianareo dia hohampitafiko. Ry Mpanompoko! Manao hadisoana andro aman'alina ianareo, ary Izaho dia mamela ny fahotana rehetra, ka mangataha famelan-keloka Amiko ianareo dia hamela Anareo Aho. Ry Mpanompoko! Ianareo dia tsy hahavita hanisy ratsy Ahy mihitsy ka hanimba Ahy, ary tsy hahavita hanao ssara Ahy ka hanasoa Ahy. Ry Mpanompoko! Raha toa ka ianareo rehetra, hatrany amboalohany ka hatramin'ny farany, Olombelona sy Djinny, samy nanana fo feno fahatahorana (an'Allah) mitovy amin'ny fon'Olona izay tena manam-pahatahorana eo aminareo, dia tsy mampitombo na inona na inona amin'ny fanjakako izany. Ry Mpanompoko! Raha ianareo rehetra, hatrany amboalohany ka hatramin'ny farany, Olombelona sy Djinny, samy nanana fo ratsy mitovy amin'ny fon'Olona ratsy indrindra eo aminareo, dia tsy mampihena na inona na inona amin'ny fanjakako izany. Ry Mpanompoko! Raha ianareo rehetra, hatrany amboalohany ka hatramin'ny farany, Olombelona sy Djinny, niara-nijoro amin'ny toerana iray, ary nangataka Amiko, dia samy nomeko an'izay nangatahiny ny tsirairay, dia tsy mampihena ny aty Amiko izany, fa toy ny fanjaitra navarina tao amin'ny ranomasina ka mitondra rano kely avy ao. Ry Mpanompoko! asanareo ihany io, angoniko ho anareo, dia omeko anareo feno ny valiny, ka izay nahazo vokatra tsara dia aoka hankasitraka an'Allah, fa izay nahazo ankoatra izany kosa dia aoka tsy hanome tsiny afa-tsy ny tenany ihany.
Mari-pototra Notantaraiin'i Moslim
"Tsy ho mpino ny iray aminareo raha tsy efa mitia ho an'ny rahalahiny izay zavatra tiany ho an'ny tenany."
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim
Tsy ho feno ny finoan'ny Olona iray Aminareo, raha tsy manaraka an'izay nentiko ny sitrapony manontolo.
Hoy i Al-Nawawi : Hadithe Soahìhy (mari-pototra) voatatitra ao amin'ny boky Al-hojjah, amin'ny Isnaad Swahih.
Tokony hamoahana Soadaka avokoa ireo tonontaolana rehetra misy eo amin'ny vatan'ny Olombelona, isan'andro vaky izay hiposahan'ny masoandro; ary ny fampihavanana amin'ny endrika marina eo amin'Olon-droa tsy mifankahazo dia efa Soadaka; ny fanampiana ny Olona amin'ny lafiny fandaisana Azy eo amin'ny biby fitainginy dia Soadaka, na dia amin'ny fanampiana Azy fotsiny mba hiakatra ambonin'izany dia Soadaka, na koa amin'ny fibatana ireo entany ho eo ambonin'izany; ny teny tsara sy mamy aloakany vava dia Soadaka; isakin'ny famindra atao rehefa mandeha mamonjy Soalat dia Soadaka; ny fanalana an'izay manelingelina ny rehetra eny an-dàlana dia Soadaka.
Mari-pototra Notaterin’i Boukhari sy Mouslimo
Tena marina fa i Tompo Allah dia Tompo tsara ary Izy tsy mandray afa-tsy ireo zavatra tsara ihany. Ary i Tompo Allah dia nandidy an'ireo vahoaka Mpino Silamo amin'izay zavatra nandidiany an'ireo Iraka; ka hoy Izy hoe : {Ô Ianareo Iraka, mihinàna amin’ireo zavatra tsara Ianareo ary manaova asa soa}. Ary niteny Izy hoe : {Ô Ianareo izay nino ! Mihinàna Ianareo amin’ireo zavatra tsara nomenay Anareo}. Avy eo Izy (S.A.W) nanome ohatra lehilahy iray izay manao dia lavitra, mikorontam-bolo sy feno vovoka, mampiakatra ny tanany amin'ny lanitra Izy, ka miantsoantso hoe : Tompo ô, Tompo ô ! Nefa ny sakafony Haramo, ny fitafiny Haramo, ary izy voky zavatra Haramo; ka amin'ny fomba ahoana no hivalian'ny fangatahana izay nataony ?
Mari-pototra Notantaraiin'i Moslim