Skip to content
665 Hadiths

Encyclopedia of Prophetic Hadiths

Filter results

48 of 665 cards

Clear filters
Lehibe tokoa izany zavatra anontanianao Ahy izany, saingy mora izany ho an'izay Olona nanamoran'i Tompo Allah azy. Manompoa an'i Tompo Allah ary aza manambatra Azy mihitsy amin'ny zavatra hafa, manangana ny vavaka Soalat, ary mamoaha ny Zakat, mifeheza amin'ny volana Ramadany, ary manaova ny Hadjy amin'ilay trano masina any La meque. Dia hoy Izy avy teo : Tsy atoroko Anao ve ireo varavaran'ny hatsarana ? Ny fifehezana dia fiarovana, ny Soadakah dia manototra ny fahotana ohatra ny rano mamono ny afo, ary toraka izany ihany koa ny Soalat ataon'ny Olona mandritry ny sasak'alina. Avy teo namaky (ireto andininy soratra masina ireto) Izy : {Miarina miala ny fandriana izy ireo…}, hatramin'ny : {…nataon'izy ireo} [32:16-17]. Dia hoy Izy avy teo : Tsy ambarako Anao ve ny lohan'ny zava-drehetra sy ny andriny ary ny tampony ambony indrindra? Dia nilaza Aho hoe : Eny, ry Irakan'i Tompo Allah!. Dia hoy Izy:Ny lohan'ny zava-drehetra dia ny finoana silamo, ary ny Soalat no andrin'izany, ary ny ady masina (Djihady) no tampony ambony indrindra. Dia hoy Izy avy teo : Tsy ambarako Anao ve ny fomba ahazoanao an'izany rehetra izany ? Dia nilaza Aho hoe : Eny, ry Irakan'i Tompo Allah !. Dia noraisiny ny lelany ka hoy Izy : Fehezo ity. Dia hoy Aho: Ry Irakan'i Tompo Allah! Ngaha mbola ho tsaraina amin'izay teneninay izahay ? Dia hoy Izy: Andray ! Izany lozanao! Inona moa no tena mahatonga ny Olona hatsipy amin'ny tarehin'izy ireo na amin'ny oron'izy ireo mankao amin'ny Afobe; raha tsy ireo vokatry ny lelan'izy ireo ?
Mari-pototra Notantarain'i Al-Tirmizì
“ Izay mino an’i Tompo Allah sy ny Andro farany dia aoka Izy mba hiteny tsara na hangina, ary izay mino an'i Tompo Allah sy ny Andro farany dia aoka Izy mba hanao tsara amin'ny mpifanolo-body rindrina Aminy; ary izay mino an'i Tompo Allah sy ny Andro farany dia aoka izy mba hikarakara tsara ny vahininy.
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim
Nisy lehilahy iray niteny tamin’ny Mpaminany (S.A.W) hoe : Toroy hevitra aho, dia hoy Izy (S.A.W) taminy hoe : “ Aza tezitra .” Naverimberiny im-betsaka izany dia hoy i Mpaminany (S.A.W) hoe : “Aza tezitra”.
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari
Tena marina fa i Tompo Allah dia namela ny vahoakako, noho Izaho, amin'izay hadisoana tsy fananihana na hadino na koa ny amin'ireo zavatra nanerena azy ireo fa tsy antsitrapo.
Niteny i Al-Nawawi hoe : Hadithe Hassane Notaterin'i Ibno Màdjah sy Baihaky ary ny hafa ihany koa.
“Fady tsy azo atao ny mandatsaka ny Ra na ny Ainan'ny Mpino Islamo na dia iray aza. raha tsy noho ny iray amin' ireto antony telo ireto : Olona efa nanambady ka nijangajanga, na aina solon'ny aina (sazy ampiharina amin'izay nandatsaka ain'olona), na koa Olona namela ny finoany ka niala amin'ny fiombonam-ben'ny vahoaka silamo.
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim
Aza manao ratsy ary aza mamaly ny ratsy.
Tsara Notaterin'i Ibno Màdjah sy Daraqoutni ary ankoatr'izy roa, miaraka amin'ny rojom-pitantarana mitohy.
"Mifototra amin'ny finiavana ny asa rehetra, ary izay nokasainy ihany no valisoa ho azon'ny olona iray. Koa na iza na iza nanao fifindra-monina mankany amin'i Tompo Allah sy ny Irany, dia hahazo valisoan'ny fifindra-monina any amin'i Tompo Allah sy ny Irany, ary izay nanao fifindra-monina nohon'ny fiainana ety an-tany na vehivavy ho vadiny, dia noho izany tokoa no valisoa ho azony tamin'ilay fifindra-monina izay nataony”.
Mari-pototra Notaterin'ireo Imamo roa lehibe amin'ny Hadith: Abo Abdillah, Mohammad ibn Ismail ibn Ibrahim ibn Al-moghirah ibn Bardizbah Al-bokhari, sy Abo Al-hosain, Moslimo ibn Al-hajjaj ibn Moslimo, Al-qoshairi An-naisaabori; ao amin'ny bokin'izy roa, izay marina indrindra amin'ny boky nosoratan'olombelona (momba ny Hadith).
"Ny finoana silamo dia miorina amin'ny zavatra dimy : ny fijoroana ho vavolombelona fa tsy misy tompo afa-tsy Allah, ary i Mohammad dia mpanompony sy irany, manangana ny swalat, mamoaka zakat, manao Hajj any amin'ny trano masina ary ary mifehy amin'ny Ramadany".
Mari-pototra Notaterin’i Boukhari sy Mouslimo