Skip to content
665 Hadiths

Encyclopedia of Prophetic Hadiths

Filter results

48 of 665 cards

Clear filters
Nisy lehilahy iray nanontany an'ny Irak'i Tompo Allah (S.A.W) ka niteny hoe : Hitanao ve, raha manao ireo Soalat voadidy Aho, avy eo mifehy ny fifehezana amin'ny volana Ramadany, ary manao an'izay rehetra voalaza fa mety, ary mifady ihany koa an'izay rehetra fady tsy mety , ka tsy manampy zavatra hafa ambonin'izany intsony, moa ve mety miditra amin'ny Paradisa amin'ny alalany iazany rehetra izany Aho ? Ka namaly Azy Izy niteny hoe : Eny !.
Mari-pototra Notantaraiin'i Moslim
Tena marina fa i Tompo Allah dia naniraka amin'ny fanaovana tsara ny zavatra rehetra; ka raha mamono (biby tsy fihinana sns) Ianareo, dia ataovinareo tsara famono, ary raha manapa-tenda (biby fihinana) ianareo, dia ataovinareo tsara fanapaka; ka aoka ny tsirairay Aminareo mba handranitra tsara ny lelan'antsiny, ary hampiadana ny biby izay tapahiny.
Mari-pototra Notantaraiin'i Moslim
Aza mifampialona ianareo, aza mifanongom-barotra amin'ny lavanty raha tsy hividy, aza mifankahala, aza mifanome lamosina, aza mivarotra handravana ny varotry ny hafa (raha efa nifanaraka ny mpividy sy ny mpivarotra amin'ny entana sy ny vidiny); fa meteza ianareo ho mpanompo an'I Allah mpirahalahy. Ny mpino silamo dia rahalahin'ny mpino silamo namany; ka tsy anaovany ny tsy rariny izy, tsy avelany irery (rehefa mila azy), tsy andaingany, tsy ambanimbaniny. Ny fahatahorana an'I Allah dia ato, naveriny intelo izany, sady manondro ny fony izy miteny azy. Ampy mampiseho ny haratsiam-panahin'olona iray ny fanambaniany ny rahalahiny mpino silamo. Ny rehetra mikasika ny mpino silamo dia fady avokoa, tsy azon'ny mpino silamo kasikasihina : ny ràny (ainy) sy ny fananany ary ny haja amam-boninahiny.
Mari-pototra Notantaraiin'i Moslim
Hoy aho : Ry irak'Allah ô, lazao zavatra momba ny finoana silamo aho, izay tsy hanontaniako olon-kafa intsony ankoatra anao. Dia hoy izy : “Lazao hoe : Mino an’Allah aho, avy eo mijoroa mahitsy ianao”.
Mari-pototra Notantaraiin'i Moslim
Anisan'ny mariky ny hatsaram-pinoan'ny Olona iray dia ny famelany tanteraka sy fiatahany ireo raharaha izay tsy mahakasika Azy.
Niteny i Al-Nawawi hoe : Hadithe Hassane Voarakitra ao amin'ny Bokin'i Tirmizi (R) sy ny ankoatra azy
" Na iza na iza eo Aminareo mahita zava-dratsy manadalo sy miseho, dia aoka Izy hanala sy hanova izany amin’ny Tànany, fa raha tsy vitany kosa ny hanova izany dia aoka hataony amin’ny Lelany, ary raha mbola tsy vitany ihany koa dia aoka hataony amin’ny Fony izany fanobana izany, ary izany no tena malemy sy ambany indrindra eo amin’ny Finoana ".
Mari-pototra Notantaraiin'i Moslim
Marina tokoa fa i Tompo Allah dia nandidy ireo zavatra tsy maintsy atao, ka aza ataonareo tsirambina izany; ary namaritra lalàna Izy ka aza dikainareo izany lalàna izany; ary nandrara zavatra Izy ka aza ataonareo izany zavatra izany, ary nangina amin'ny zavatra maro Izy, noho ny indrafony Aminareo fa tsy noho ny fanadinoana akory, ka aza karohinareo intsony izany zavatra izany.
Niteny i Al-Nawawi hoe : Hadithe Hassane Notaterin'i Ad-daarakotnii ao amin'ny Sonan sy hafa ankoatra azy.
Tena marina fa i Tompo Allah dia niteny hoe: Izay mandray sakaizako (Olona Mpino matahotra an'i Tompo Allah) ho fahavalony, dia efa mampilaza ady Aminy Aho. Tsy misy zavatra ataon'ny mpanompoko anakaikezana Ahy tiako mihoatra ny fanaovany an'izay nandidiako Azy . Ary tsy mitsahatra manakaiky Ahy amin'ny alalan'ireo famenon'asa hatrany ny mpanompoko (aorian'ny fanatanterahany ireo zavatra nandidiako Azy) hany ka lasa tiako Izy. Ka rehefa mankatia Azy Aho, dia Izaho no hiahy ny sofiny izay andrenesany, ny masony izay ahitany, ny tanany izay anamborany, ary ny tongony izay andehanany. Raha mangataka Amiko Izy dia homeko, ary raha mangata-piarovana Amiko Izy dia harovako.
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari