Skip to content
665 Hadiths

Encyclopedia of Prophetic Hadiths

Filter results

2 of 665 cards

Clear filters
Raha tena manankina marina ny fiainanareo amin'i Tompo Allah Ianareo, dia hanome anjara masoandro ho Anareo Izy, tahaka ny fanomezany anjara masoandro ny vorona; noana Izy mivoaka ny tranony amin'ny maraina, saingy mibontsina hatrany ny kibony (voky) rehefa Izy miverina amin'ny ariva. (Izany hoe mandehana mitady n'y anjara masoandro no sady dia ankino tsara amin'i Tompo Allah ny fiainana).
Mari-pototra Notaterin'i Imam Ahmad sy Tirmizi sy Nasày sy Ibno Màdjah sy Ibno Hibban Ao amin'ny Swahih-ny ary Al-Hakim
"Indray andro izahay niara-nipetrapetraka tamin'ny Mpaminany (S.A.W), dia nisy lehilahy iray mainty volo ary manao lamba fotsy, tsy hita taratra teo aminy hoe : olona mpiavy na mpanao voyage, tsy nisy nahalala azy mihitsy na iray taminay. Nipetraka teo akaikin'ny Mpaminany (S.A.W) avy hatrany izy, napetany tamin'ny lohalin’ny Mpaminany (S.A.W) ny lohaliny, ary teo ambonin'ny fe-ny ny tànany. Avy eo niteny manao hoe : "O ry Mouhammad (S.A.W), Ampahafantaro ahy ny atao hoe : ISLAM. Hoy i Mpaminany (S.A.W) namaly azy hoe : "Ny Islam dia ny fijoronao vavolombelona fa tsy misy tompo afa tsy i Allah irery ihany ary i Mouhammad (S.A.W) no Irany, ny fanangananao ny Swalat, ny famoahanao ny ampahan-karena na ny Zakat, ny fifehezana amin'ny volana Ramadan, ary ny fivahiniana masina any Makkat raha manan-katao amin'izany ianao. Hoy ilay rangahy namaly azy : Marina tokoa ny voalazanao. Gaga izahay hoy i Oumar (R.A) satria izy nanontany indray no manamarina izay voalaza taminy. Niteny izy hoe : "Ampahafantaro ahy ny atao hoe : FINOANA na ny IMAN". Namaly i Mpaminany (S.A.W) hoe : "Ny Iman dia ny finoanao an'i Allah sy ireo anjeliny, ireo bokiny, ireo Irany, ny andro farany, ary ny lahatra tsara sy ny ratsy". Hoy ilay rangahy : "Marina ny voalazanao". Hoy indray izy nanontany hoe : "Lazao amiko ny atao hoe : hatsarana?". Namaly i Mpaminany (S.A.W) hoe : "Ny hatsarana dia ny fanompoanao an'i Allah tahaky ny mahita azy, raha tsy mahita azy ianao dia tadidio tsara fa Izy Allah dia mahita anao hatrany". Hoy ilay rangahy hoe : "Lazao amiko ovina ny fara-andro?". Namaly i Mpaminany (S.A.W) : "Na ilay anontaniana na ny mpanontany dia samy tsy misy mahalala ny figadonany". Lazao amiko ny famantarana azy. Namaly i Mpaminany (S.A.W) hoe : "Ny andevo vavy hiteraka ny tompony (lehibeny na patron-ny), ireo tsy mikapa sy miboridana, ireo mahantra, mpiandry ondry no lasa ho mpanan-karena tampoka ka hanangana trano lehibe mijoalajoala". Rehefa tapitra fanontanian’ilay rangahy dia lasa izy. Afaka andro vitsivitsy dia nanontany ahy i Mpaminany (S.A.W) manao hoe : "Fantatrao ve ry Oumar ilay mpanontany?". Hoy aho namaly azy hoe : "I Allah sy ny Irany ihany no mahalala". Hoy i Mpaminany (S.A.W) : "Tena marina fa i Djibril (A.S) no tonga teo iny, hampianatra anareo ny rehetra mahakasika ny finoanareo".
Mari-pototra Notantaraiin'i Moslim