Skip to content
665 Hadiths

Encyclopedia of Prophetic Hadiths

Filter results

2 of 665 cards

Clear filters

Narrated in

Niteny i Mpaminany (S.W.A) araka ny fanambarana izay azony tamin'Allah ilay avo Tsitoha "Ry Mpanompoko! Nataoko fady Ahy ny fanaovana ny tsy rariny, ary nataoko fady eo aminareo ihany koa, ka aoka tsy hifanao ny tsy rariny ianareo. Ry Mpanompoko! Very avokoa aanareo afa-tsy izay nahitsiko, ka mangataha fahitsiana aty Amiko dia hanitsy Anareo Aho. Ry Mpanompoko! Noana avokoa aanareo afa-tsy izay nampihinaniko, ka mangataha sakafo Amiko dia hampihinana anareo Aho. Ry Mpanompoko ! Niboridana daholo anareo afa-tsy izay nampitafiako, ka mangataha fitafiana Amiko ianareo dia hohampitafiko. Ry Mpanompoko! Manao hadisoana andro aman'alina ianareo, ary Izaho dia mamela ny fahotana rehetra, ka mangataha famelan-keloka Amiko ianareo dia hamela Anareo Aho. Ry Mpanompoko! Ianareo dia tsy hahavita hanisy ratsy Ahy mihitsy ka hanimba Ahy, ary tsy hahavita hanao ssara Ahy ka hanasoa Ahy. Ry Mpanompoko! Raha toa ka ianareo rehetra, hatrany amboalohany ka hatramin'ny farany, Olombelona sy Djinny, samy nanana fo feno fahatahorana (an'Allah) mitovy amin'ny fon'Olona izay tena manam-pahatahorana eo aminareo, dia tsy mampitombo na inona na inona amin'ny fanjakako izany. Ry Mpanompoko! Raha ianareo rehetra, hatrany amboalohany ka hatramin'ny farany, Olombelona sy Djinny, samy nanana fo ratsy mitovy amin'ny fon'Olona ratsy indrindra eo aminareo, dia tsy mampihena na inona na inona amin'ny fanjakako izany. Ry Mpanompoko! Raha ianareo rehetra, hatrany amboalohany ka hatramin'ny farany, Olombelona sy Djinny, niara-nijoro amin'ny toerana iray, ary nangataka Amiko, dia samy nomeko an'izay nangatahiny ny tsirairay, dia tsy mampihena ny aty Amiko izany, fa toy ny fanjaitra navarina tao amin'ny ranomasina ka mitondra rano kely avy ao. Ry Mpanompoko! asanareo ihany io, angoniko ho anareo, dia omeko anareo feno ny valiny, ka izay nahazo vokatra tsara dia aoka hankasitraka an'Allah, fa izay nahazo ankoatra izany kosa dia aoka tsy hanome tsiny afa-tsy ny tenany ihany.
Mari-pototra Notantaraiin'i Moslim
Hoy Abo Zarr (RA) ihany koa hoe : Nisy andian'olona tamin'ireo mpanara-dian'ny Irak'I Allah (SAW) no niteny taminy nanao hoe : Ry Irak'I Allah! Lasan'ireo mpanan-karena daholo ny valisoa; satria manao Swalat tahaka anay manao Swalat izy ireo, ary mifehy ohatra anay mifehy, saingy mbola mamoaka Swadakah amin'ny ambin-karenany koa izy ireo. Dia hoy i Mpaminany (S.A.W) manao hoe : "Tsy efa nomen'I Allah zavatra ahafahanareo mamoaka Swadakah koa va ianareo? Ny Tasbiih (fitenenana Sobhaanallaah) dia Swadakah avokoa, ny Takbiir (fitenenana Allaaho akbaro) dia Swadakah avokoa, ny Tahmiid (fitenenana Alhamdolillaah) dia Swadakah avokoa, ny Tahliil (fitenenana Laa ilaaha illal-llaaho) dia Swadakah avokoa, ary fanirahana amin'ny tsara dia Swadakah, fandrarana amin'ny ratsy dia Swadakah, ary ny firaisana ara-nofo amin'ny vady dia Swadakah". Dia hoy izy ireo hoe : Raha manatanteraka ny filam-batany (miaraka amin'ny vadiny) ve ny anankiray aminay dia ahazoany valisoa izany? Dia hoy izy hoe : Hitanareo! Raha nataony amin'ny làlana fady izany, tsy mahazo fahotana ve izy? Toraka izany ihany koa, raha ataony amin'ny làlana mety, dia ahazoany valisoa".
Mari-pototra Notantaraiin'i Moslim