Skip to content
665 Hadiths

Encyclopedia of Prophetic Hadiths

Filter results

8 of 665 cards

Clear filters
Nandre ny irak’Allah (S.A.W) aho nilaza manao hoe niteny Allah Ilay avo indrindra : Ry zanak’i Adama, raha mbola mangataka amiko sy manantena Ahy ianao, dia hamela anao Aho ary tsy raharahako, ry zanak’i Adama, raha tonga eny amin’ny rahon’ny lanitra ny fahotanao, ary avy eo nangataka famelan-keloka tamiko ianao, dia havelako ny helokao, ary tsy raharahako, ry zanak’i Adama, raha manatona Ahy miaraka amin’ny fahotana eran’ny tany ianao, ary avy eo nifanena tamiko ka tsy nampiombona Ahy tamin'ny zavatra hafa, dia hitondra famelan-keloka mitovy velarana ami'izany ho anareo Aho”.
Tsara Notantarain'i Al-Tirmizì
Anisan'ny mariky ny hatsaram-pinoan'ny Olona iray dia ny famelany tanteraka sy fiatahany ireo raharaha izay tsy mahakasika Azy.
Niteny i Al-Nawawi hoe : Hadithe Hassane Voarakitra ao amin'ny Bokin'i Tirmizi (R) sy ny ankoatra azy
Marina tokoa fa i Tompo Allah dia nandidy ireo zavatra tsy maintsy atao, ka aza ataonareo tsirambina izany; ary namaritra lalàna Izy ka aza dikainareo izany lalàna izany; ary nandrara zavatra Izy ka aza ataonareo izany zavatra izany, ary nangina amin'ny zavatra maro Izy, noho ny indrafony Aminareo fa tsy noho ny fanadinoana akory, ka aza karohinareo intsony izany zavatra izany.
Niteny i Al-Nawawi hoe : Hadithe Hassane Notaterin'i Ad-daarakotnii ao amin'ny Sonan sy hafa ankoatra azy.
" Raha omena izay lazainy avokoa ny Olona, ​​dia hisy Olona sasany hitaky ny harena sy ny Ran'ny sasany; fa ny vesatry ny porofo kosa dia an'ny mpitory, ary ny fianianana kosa dia an'izay mandà."
Tsara Notaterin'i Al-baihakii sy hafa ankoatra azy, tahaka izao, ary ny ampahan'izy io dia voatatitra ao amin'ny Al-bokhari sy Moslimo.
Tena marina fa i Tompo Allah dia namela ny vahoakako, noho Izaho, amin'izay hadisoana tsy fananihana na hadino na koa ny amin'ireo zavatra nanerena azy ireo fa tsy antsitrapo.
Niteny i Al-Nawawi hoe : Hadithe Hassane Notaterin'i Ibno Màdjah sy Baihaky ary ny hafa ihany koa.
Aza manao ratsy ary aza mamaly ny ratsy.
Tsara Notaterin'i Ibno Màdjah sy Daraqoutni ary ankoatr'izy roa, miaraka amin'ny rojom-pitantarana mitohy.
"Matahora an'i Tompo Allah na aiza na aiza ny toerana misy anao, ary ampanaraho asa tsara ny asa ratsy mba hamafa izany, ary miaraha miaina amin' olona amin'ny toetra mendrika".
Hoy At-tirmizii: Hadith Hassan. Notantarain'i Al-Tirmizì
Aza miraiki-po amin'ny fiainana eto an-tany dia ho tian'i Tompo Allah Ianao; ary aza misahirana amin'izay eny am-pelatanan'ny Olona dia ho tian'Olona Ianao.
Niteny i Al-Nawawi hoe : Hadithe Hassane Notaterin'i ibn Maajah sy hafa ankoatra azy, amin'ny Isnaad Hassan.