Skip to content
665 Hadiths

Encyclopedia of Prophetic Hadiths

Filter results

29 of 665 cards

Clear filters
"Indray andro izahay niara-nipetrapetraka tamin'ny Mpaminany (S.A.W), dia nisy lehilahy iray mainty volo ary manao lamba fotsy, tsy hita taratra teo aminy hoe : olona mpiavy na mpanao voyage, tsy nisy nahalala azy mihitsy na iray taminay. Nipetraka teo akaikin'ny Mpaminany (S.A.W) avy hatrany izy, napetany tamin'ny lohalin’ny Mpaminany (S.A.W) ny lohaliny, ary teo ambonin'ny fe-ny ny tànany. Avy eo niteny manao hoe : "O ry Mouhammad (S.A.W), Ampahafantaro ahy ny atao hoe : ISLAM. Hoy i Mpaminany (S.A.W) namaly azy hoe : "Ny Islam dia ny fijoronao vavolombelona fa tsy misy tompo afa tsy i Allah irery ihany ary i Mouhammad (S.A.W) no Irany, ny fanangananao ny Swalat, ny famoahanao ny ampahan-karena na ny Zakat, ny fifehezana amin'ny volana Ramadan, ary ny fivahiniana masina any Makkat raha manan-katao amin'izany ianao. Hoy ilay rangahy namaly azy : Marina tokoa ny voalazanao. Gaga izahay hoy i Oumar (R.A) satria izy nanontany indray no manamarina izay voalaza taminy. Niteny izy hoe : "Ampahafantaro ahy ny atao hoe : FINOANA na ny IMAN". Namaly i Mpaminany (S.A.W) hoe : "Ny Iman dia ny finoanao an'i Allah sy ireo anjeliny, ireo bokiny, ireo Irany, ny andro farany, ary ny lahatra tsara sy ny ratsy". Hoy ilay rangahy : "Marina ny voalazanao". Hoy indray izy nanontany hoe : "Lazao amiko ny atao hoe : hatsarana?". Namaly i Mpaminany (S.A.W) hoe : "Ny hatsarana dia ny fanompoanao an'i Allah tahaky ny mahita azy, raha tsy mahita azy ianao dia tadidio tsara fa Izy Allah dia mahita anao hatrany". Hoy ilay rangahy hoe : "Lazao amiko ovina ny fara-andro?". Namaly i Mpaminany (S.A.W) : "Na ilay anontaniana na ny mpanontany dia samy tsy misy mahalala ny figadonany". Lazao amiko ny famantarana azy. Namaly i Mpaminany (S.A.W) hoe : "Ny andevo vavy hiteraka ny tompony (lehibeny na patron-ny), ireo tsy mikapa sy miboridana, ireo mahantra, mpiandry ondry no lasa ho mpanan-karena tampoka ka hanangana trano lehibe mijoalajoala". Rehefa tapitra fanontanian’ilay rangahy dia lasa izy. Afaka andro vitsivitsy dia nanontany ahy i Mpaminany (S.A.W) manao hoe : "Fantatrao ve ry Oumar ilay mpanontany?". Hoy aho namaly azy hoe : "I Allah sy ny Irany ihany no mahalala". Hoy i Mpaminany (S.A.W) : "Tena marina fa i Djibril (A.S) no tonga teo iny, hampianatra anareo ny rehetra mahakasika ny finoanareo".
Mari-pototra Notantaraiin'i Moslim
Hoy Abo Zarr (RA) ihany koa hoe : Nisy andian'olona tamin'ireo mpanara-dian'ny Irak'I Allah (SAW) no niteny taminy nanao hoe : Ry Irak'I Allah! Lasan'ireo mpanan-karena daholo ny valisoa; satria manao Swalat tahaka anay manao Swalat izy ireo, ary mifehy ohatra anay mifehy, saingy mbola mamoaka Swadakah amin'ny ambin-karenany koa izy ireo. Dia hoy i Mpaminany (S.A.W) manao hoe : "Tsy efa nomen'I Allah zavatra ahafahanareo mamoaka Swadakah koa va ianareo? Ny Tasbiih (fitenenana Sobhaanallaah) dia Swadakah avokoa, ny Takbiir (fitenenana Allaaho akbaro) dia Swadakah avokoa, ny Tahmiid (fitenenana Alhamdolillaah) dia Swadakah avokoa, ny Tahliil (fitenenana Laa ilaaha illal-llaaho) dia Swadakah avokoa, ary fanirahana amin'ny tsara dia Swadakah, fandrarana amin'ny ratsy dia Swadakah, ary ny firaisana ara-nofo amin'ny vady dia Swadakah". Dia hoy izy ireo hoe : Raha manatanteraka ny filam-batany (miaraka amin'ny vadiny) ve ny anankiray aminay dia ahazoany valisoa izany? Dia hoy izy hoe : Hitanareo! Raha nataony amin'ny làlana fady izany, tsy mahazo fahotana ve izy? Toraka izany ihany koa, raha ataony amin'ny làlana mety, dia ahazoany valisoa".
Mari-pototra Notantaraiin'i Moslim
"Omeo ireo izay rehetra manan-jo fa tokony hahazo ny anjara tsy maintsy atao ny fanomezana azy ny tsirairay, fa ny izay sisa amin'izany kosa dia ho an'ireo havana akaiky indrindra."
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim
Allah sy ny Irany dia nandrara ny fivarotan-toaka sy biby maty ho azy sy kisoa ary sampy". Ka nisy niteny hoe : Ry Irak'I Allah, ahoana ny tavin-kena amin'ireo biby maty ho azy; satria izany dia andokoana sambo, hosorana amin'ny vatana, ary ampiasain'ny olona andrehetana jiro? Dia nilaza izy hoe : Tsia, izany dia voarara. Ary niteny ny Irak'i Allah (SAW) tamin'izany hoe : Allah anie handringana ireo jiosy; nataon'I Allah fady azy ireo ny tavin-kena nefa noravan'izy ireo izany, dia namidin'izy ireo avy eo, ka nihinana ny vola azo tamin'izany izy ireo.
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim
" Tena marina fa efa mazava ny Azo atao ary mazava ihany koa ny Voarara , ary misy ireo Zavatra mitovitovy mety mampisalasala izay tsy fantatry ny maro, ka izay miala amin'ny Zavatra mampisalasala dia ho afaka tsy omena tsiny amin'ny finoany sy ny voninahiny, ary izay latsaka amin'ny Zavatra mampisalasala kosa dia Lavo tany amin'ny zava-pady, toy ny Mpiandry ondry mihina ahitra manodidina ny Zaridaina ka saika hihina ahitra eny ireo Ondry. Eny tokoa, ny Mpanjaka rehetra dia manana Zaridaina. Ary ny Zaridain'ny Tompo Allah dia ireo zava-pady izay Nofaritany. Misy Nofo iray tokoa amin'ny Vatana. Raha tsara izany, dia lasa tsara avokoa amin'ny Vatana, fa raha Simba izany, dia simba avokoa ny Vatana rehetra, tsy inona akory izany fa ny Fo ".
Mari-pototra Notaterin’i Boukhari sy Mouslimo