Skip to content
665 Hadiths

Encyclopedia of Prophetic Hadiths

Filter results

19 of 665 cards

Clear filters
Ny Mpaminany (S.W.A) dia nandefa Azy tany Yemeni. Ka nanontany an'ny Mpaminany (S.A.W) momba zava-pisotro izay amboarin'ny Olona amin'io tanàna io Izy. Ka hoy izy (S.A.W) hoe : Inona ilay Izy ? Dia nambarany hoe : Al-bit'o sy Al-mizri. Nisy nanontany i Abo Bordah hoe : Inona ny Al-bit'o ? Dia nilaza Izy fa izany dia divay vita amin'ny tantely; ary Al-mizr dia divay vita amin'ny vary hordea (karazam-barim_bazaha). Dia nilaza Izy (ny Mpaminany S.W.A) hoe : Izay rehetra mahamamo dia Haramo avokoa. BOKHARI
Mari-pototra Notaterin’i Boukhari sy Mouslimo
Misy toetra efatra, izay Olona misy azy ireo dia lazaina fa mpihatsaravelatsihy, ary raha ampahany amin'izany no misy Aminy dia misy toetran'ny mpihatsaravelatsihy ihany Izy mandra-pamelany izany toetra izany : Olona izay mandainga rehefa miresaka, tsy manatanteraka ny teniny rehefa mampanantena zavatra, miala lalana (tsy milaza ny marina fa mitaky izay tsy Azy na mandà ny zon'ny hafa Aminy) rehefa misy disadisa, ary mahasahy mivadika rehefa manao ny fifanekena amin'ny zavatra.
Mari-pototra Notaterin’i Boukhari sy Mouslimo
" Izay namorina zava-baovao amin’ity finoanay ity nefa tsy ao anatiny dia haverina Aminy izany zavatra izany ."
Mari-pototra Notaterin’i Boukhari sy Mouslimo
Tena marina fa i Tompo Allah dia niteny hoe: Izay mandray sakaizako (Olona Mpino matahotra an'i Tompo Allah) ho fahavalony, dia efa mampilaza ady Aminy Aho. Tsy misy zavatra ataon'ny mpanompoko anakaikezana Ahy tiako mihoatra ny fanaovany an'izay nandidiako Azy . Ary tsy mitsahatra manakaiky Ahy amin'ny alalan'ireo famenon'asa hatrany ny mpanompoko (aorian'ny fanatanterahany ireo zavatra nandidiako Azy) hany ka lasa tiako Izy. Ka rehefa mankatia Azy Aho, dia Izaho no hiahy ny sofiny izay andrenesany, ny masony izay ahitany, ny tanany izay anamborany, ary ny tongony izay andehanany. Raha mangataka Amiko Izy dia homeko, ary raha mangata-piarovana Amiko Izy dia harovako.
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari
Fady amin'ny alalan'ny fampinonoana izay zavatra fady amin'ny alalan'ny rohim-pihavanana.
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim
“Iray amin’ireo teny azon’ny olona avy tamin’ny tenin’ny faminaniana voalohany dia izao : ‘Raha tsy menatra intsony ianao, dia ataovy izay tianao.’ ”
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari
“ Izay mino an’i Tompo Allah sy ny Andro farany dia aoka Izy mba hiteny tsara na hangina, ary izay mino an'i Tompo Allah sy ny Andro farany dia aoka Izy mba hanao tsara amin'ny mpifanolo-body rindrina Aminy; ary izay mino an'i Tompo Allah sy ny Andro farany dia aoka izy mba hikarakara tsara ny vahininy.
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim
Nisy lehilahy iray niteny tamin’ny Mpaminany (S.A.W) hoe : Toroy hevitra aho, dia hoy Izy (S.A.W) taminy hoe : “ Aza tezitra .” Naverimberiny im-betsaka izany dia hoy i Mpaminany (S.A.W) hoe : “Aza tezitra”.
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari