Skip to content
665 Hadiths

Encyclopedia of Prophetic Hadiths

Filter results

14 of 665 cards

Clear filters
“ Rehefa namorona ny Paradisa sy ny Afobe i Allah, dia naniraka an’i anjely Jibril (A.S) Izy mba ho any amin’ny Paradisa, ka hoy Izy hoe : “Jereo ny ao sy izay efa nomaniko ho an’ny mponina ao. Dia nijery izany Izy, avy eo niverina ka niteny hoe : Noho ny Voninahitrao, dia tsy hisy Olona handre izany ka tsy hiditra ao. Koa nasainy hodidinin’ny fahasahirana, dia hoy Izy : Mandehana any, ka jerevo ary izay efa nomaniko ho an’ny mponina ao aminy. Dia nijery an'izany Izy ka hitany fa voahodidin'ny fahasahirana avokoa izany, dia hoy Izy hoe : Noho ny Voninahitrao, dia matahotra Aho sao tsy hisy olona hiditra ao. Dia hoy i Allah indray hoe : Mandehana, jerevo ny Afobe sy izay efa namboariko ho an’ny mponina ao. Dia nijery azy i Jibril, ka hitany fa nifamatotra avokoa ny zava-drehetra, dia niverina Izy ka niteny nanao hoe : Noho ny Voninahitrao, dia tsy hisy Olona hiditra ao. Koa nasainy hodidinin’ny filan’ny nofo avokoa izany, ka hoy Izy hoe : Miverena, ka jerevo. Dia nijery izany Izy, ka hitany fa voahodidin’ny filan’ny nofo, avy eo dia niverina Izy ka Niteny hoe : Noho ny Voninahitrao, dia matahotra Aho fa sao dia tsy hisy handositra an'izany ny olona fa dia hiditra ao avokoa.
Tsara Notantarain'i Abo Daòd, Al-Tirmizì ary Al-Nasàì
Nandre ny irak’Allah (S.A.W) aho nilaza manao hoe niteny Allah Ilay avo indrindra : Ry zanak’i Adama, raha mbola mangataka amiko sy manantena Ahy ianao, dia hamela anao Aho ary tsy raharahako, ry zanak’i Adama, raha tonga eny amin’ny rahon’ny lanitra ny fahotanao, ary avy eo nangataka famelan-keloka tamiko ianao, dia havelako ny helokao, ary tsy raharahako, ry zanak’i Adama, raha manatona Ahy miaraka amin’ny fahotana eran’ny tany ianao, ary avy eo nifanena tamiko ka tsy nampiombona Ahy tamin'ny zavatra hafa, dia hitondra famelan-keloka mitovy velarana ami'izany ho anareo Aho”.
Tsara Notantarain'i Al-Tirmizì
Niteny ny Mpaminany (S.A.W) fa rehefa miditra ny moske izy dia miteny hoe : "Aouzoubillahil-Azim, wabiwjhihil-karim, wasoultwanihil-quadim, minashaitwanir-rajim - izay midika Mangataka fialofana amin'Allah ilay Tsitoha aho, sy amin'ny tavany be voninahitra, ary amin'ny fahefany mandrakizay, manoloana ny Satana voaozona”, Hoy izy : Izay ihany ve? dia hoy aho : Eny, dia hoy ny Mpaminany (S.A.W) hoe : Raha nilaza izany izy, dia hoy ny Satana : Voaaro ny amiko izy amin’ny andro rehetra sisa.
Tsara Notantarain'i Abo Daòd
Nisy lehilahy tonga tany amin'ny Mpaminany (S.A.W) niresaka taminy momba ny zavatra iray, dia hoy izy : "Raha sitrak'Allah sy sitrakao." Dia hoy ny Mpaminany (S.A.W) hoe : “Nataonao mitovy tantana amin'Allah aho?” Lazao fotsiny hoe : “Raha sitrak'Allah irery ihany”.
Tsara ny fampitana رواه ابن ماجه والنسائي في الكبرى وأحمد
"Ny olona dia manaraka ny finoan'ny namany, koa aoka ny tsirairay aminareo hijery izay ho namany."
Tsara Notantarain'I Abo Daòd, Al-Tirmizì ary Ahmad
“Tena marina fa ny zavatra tena atahorako aminareo dia ny fanompoan-tsampy kely.” Hoy ireo mpanara-diany hoe : “Inona no atao hoe fanompoan-tsampy kely ry irak’I Allah? Hoy izy : “Ny fireharehana, Hiteny amin'izy ireo I Allah amin'ny andro farany izay hahazoan’ny olona valisoa noho ny asany : Mandehana any amin’izay nisehosehoanareo teto an-tany ianareo, ary jereo raha mahita valin’asa avy amin’izy ireo ianareo?".
Tsara Notantarain'i Ahmad
Tena marina fa i Tompo Allah dia namela ny vahoakako, noho Izaho, amin'izay hadisoana tsy fananihana na hadino na koa ny amin'ireo zavatra nanerena azy ireo fa tsy antsitrapo.
Niteny i Al-Nawawi hoe : Hadithe Hassane Notaterin'i Ibno Màdjah sy Baihaky ary ny hafa ihany koa.
“Tsy anisany miaraka aminay iza manao sikidy, na nampanao sikidy ho azy, na izay nanombantombana tamin'ny fizahana na nanao izany ho azy, izay nanao ody na nampanao izany ho azy, ary izay nanao fatotra ary nandeha amin'ny mpamantatra ny hoavy ka mino izay lazainy, dia efa nikomy ny zavatra nampidinina tamin'i Mouhammad (S.A.W)".
Tsara Notantarain'i Al-Bazzàr