Skip to content
665 Hadiths

Encyclopedia of Prophetic Hadiths

Filter results

120 of 665 cards

Clear filters

Narrator

Show all narrators (55)
Nisy lehilahy iray nanontany an'ny Irak'i Tompo Allah (S.A.W) ka niteny hoe : Hitanao ve, raha manao ireo Soalat voadidy Aho, avy eo mifehy ny fifehezana amin'ny volana Ramadany, ary manao an'izay rehetra voalaza fa mety, ary mifady ihany koa an'izay rehetra fady tsy mety , ka tsy manampy zavatra hafa ambonin'izany intsony, moa ve mety miditra amin'ny Paradisa amin'ny alalany iazany rehetra izany Aho ? Ka namaly Azy Izy niteny hoe : Eny !.
Mari-pototra Notantaraiin'i Moslim
“Tompo Allah dia hiteny amin’ny mponin’ny Paradisa hoe : Ry vahoakan'ny Paradisa ô!? Hoy izy ireo : Eny, mamaly ny antsonay ry Tomponay, dia hoy I Allah : "Moave afa-po ianareo? Hoy izy ireo : “Nahoana izahay no tsy afa-po rehefa nomenao izay tsy nomenao na iza na iza teo amin’ny zavaboarinao? dia hoy I Allah : Homeko zavatra tsara noho izany ianareo, hoy izy ireo : Tompo ô! Inona indray no zavatra mihoatra izany? Dia hoy Izy : Omeko anareo ny fifaliko, ary tsy ho tezitra aminareo Aho intsony intsony aorian’izany.
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim
“Hozonin’I Allah anie ny Jiosy sy ny Kristianina noho ny fakan'izy ireo ny fasan’ny mpaminaniny ho toeram-pivavahana". Hoy i Aisha : Raha tsy izany, dia naharihary ny fasany, saingy natahotra izy sao hatao moske.
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim
“Tsy misy olona miampanga ny hafa ho amin’ny fahalotoam-pitondran_tena, ary tsy miampanga ny hafa ho tsy mino, dia hiverina aminy ihany izany, raha tsy toy izany ny namany niampangany.”
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim
“Izay manana toetra efatra ireto dia tena mpihatsaravelatsihy madiodio, ary izay manana ny iray amin’ireo dia manana toetra fihatsarambelatsihy mandra-pialany aminy : Raha miteny izy dia mandainga, raha manao fanekena izy dia mamitaka, raha mampanantena dia mivadika, ary raha mifanolana amin'ny olona dia mihoam-pefy.
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim
“Manatòna ary mialà, ary fantaro fa tsy hisy aminareo ho voavonjy amin’ny alàlan'ny asany.” Hoy izy ireo : Ry irak’Allah, Eny na ianao aza? Namaly izy hoe : “Eny na dia izaho aza, raha tsy Allah mandrotsaka amiko ny famindram-pony sy ny fahasoavany”.
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim
Nisy lehilahy iray nanontany ny Mpaminany (S.A.W) momba ny ora farany manao hoe : Rahoviana ny ora farany? dia namaly izy : “Mba inona no nomaninao ho amin’izany?” Hoy ilay rangahy : Tsy misy na inona na inona afa-tsy ny fitiavako an’I Allah sy ny irany. Dia hoy ny Mpaminany (S.A.W) : "ianao dia miaraka amin'izay tianao". Hoy i Anas : Tsy nisy teny nahafaly anay mihoatra io tenin’ny Mpaminany (S.A.W) hoe : “Ianao dia miaraka amin’izay tianao". Mbola niteny i Anas manao hoe : "Tiako ny Mpaminany (S.A.W) sy i Abo Bakr ary i Omar, ary manantena ny hiaraka amin’izy ireo aho noho ny fitiavako azy ireo, na dia tsy manao asa soa goavana toy ny nataon'izy ireo aza aho.
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim
" Tena marina fa anisany iray amin'ireo famantarana ny amin'ny Andro farany dia ny fialàn'ny ny fahalalana, sy fitombohan'ny habadoana, ary tena hitombo tokoa ny fijangajangana, sy hitombo ihany koa ny fisotroana toaka, hihena ny isan'ireo lehilahy, ary hitombo ny vehivavy mandra-pahatongan'ny vehivavy dimampolo lasa ho an'ny lehilahy iray ."
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim