Skip to content
665 Hadiths

Encyclopedia of Prophetic Hadiths

Filter results

120 of 665 cards

Clear filters

Narrator

Show all narrators (55)
"Ny andro tsara indrindra niposahan'ny masoandro dia ny andro zoma, izay nanamboarana an'i Adama, ary nampidirana azy tao amin'ny Paradisa, ary namoahana azy tao, ary tsy ho tonga ny andro farany raha tsy amin'ny andro zoma".
Mari-pototra Notantaraiin'i Moslim
Niteny i Mpaminany (S.A.W) rehefa nandefa an'i Moaz Ibn JABAL tany Yamen manao hoe : "ianao dia ho tonga eo anatrehan'ireo vahoaka olon'ny boky, ka rehefa tonga eo amin'izy ireo ianao dia antsoy mba hijoro vavolombelona fa tsy hanompo afa-tsy I Allah ary i Mohammad no irak'i Allah, ka rehefa nanaiky izany izy ireo, dia lazao amin'izy ireo fa I Allah no nandidy azy ireo vavaka in-dimy isan'andro, rehefa nankatoa izany, dia lazao fa i Allah nandidy ny famoahana ny fananan'ny mpanan_karena omen'ny mahantra eo amin'izy ireo, raha efa nankatoa izany dia mitandrema ianao amin'ny fananan'izy ireo, ary matahora ny vavaky ny olona voambaka, satria tsy misy mpanelanelana eo aminy sy ny tompo Allah".
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim
"Ny zava-drehetra dia voalahatra, hatramin'ny tsy fahafahana sy ny fiezahana, na ny fiezahana sy ny tsy fahafahana".
Mari-pototra Notantaraiin'i Moslim
Hoy Aho : Ry Iraka mahafatokin'i 'Allah ô, inona avy ireo Zinga ny dobo ? dia Namaly Izy ka Niteny hoe : “Mifanta sy mianiana amin'ilay mitazona ny fanahin'i Mouhammad (S.A.W) eo am-pelatànany Aho, ireo Kôpiny dia maro mihoatra ny isan'ny kintan'ny planeta eny an-danitra, rehefa amin'ny alina maizina be, ireo Kôpin'ny paradisa dia izay misotro Aminy dia tsy hangetaheta intsony, ny sakany dia mitovy ny halavany, manelanelan'ny tanànan'ny Ouman sy Aylat, ny ranony tena fotsy noho ny ronono, ary mamy mihoatra ny tantely."
Mari-pototra Notantaraiin'i Moslim
“Ny zavatra voalohany hitsarana ny olona amin’ny andro farany dia ny fandatsahan-drà”.
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim
"Izay mahay tsianjery andininy folo manomboka amin'ny fiandohan'ny Surah Al-Kahf dia ho voaro amin'ny Dajjal (Antikristy)." Ary amin'ny fitantarana iray : "Amin'ny faran'ny Sorat Al-Kahf."
Mari-pototra Notantaraiin'i Moslim
"Misy zavatra roa amin'ny olona mahatonga ny tsy finoana : ny fifandirana momba ny firazanany ary ny fitomaniana amin'ny maty."
Mari-pototra Notantaraiin'i Moslim
“Tsy ho tonga ny ora farany raha tsy mandalo ny fasan’olona ny lehilahy iray ka hiteny izy manao hoe : Enga anie mba izaho no teo amin’ny toerany”.
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim