Skip to content
665 Hadiths

Encyclopedia of Prophetic Hadiths

Filter results

120 of 665 cards

Clear filters

Narrator

Show all narrators (55)
"Tompo Allah dia manome fotoana ho an'ireo mpanao ny tsy rariny mpampahory ny olona mandrampitazomany azy, ka rehefa tazominy dia tsy avotsiny intsony". Niteny izy : avy eo dia namaky ny andininy masina hoe : "Ary toy izany ny hamafin'ny sazin'ny tomponao rehefa mikapoka ireo tanàna mpanao ny tsy rariny. Fa mafy sy manaintaina tokoa ny saziny". [hòd :102]"
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim
"Tsy misy mpanompo manafina kileman'ny mpanompo hafa eto an-tany, afa-tsy hafenin'I Allah ny momba azy amin'ny andro fitsanganan'ny maty."
Mari-pototra Notantaraiin'i Moslim
“Rehefa mandre ny mpiantso amin’ny Azan ianareo, dia lazao izay lazainy, dia mivavaha ho ahy, fa izay mivavaka indray mandeha ho ahy, dia hitahy azy impolo Allah, aorian'izany dia angataho amin’Allah ho ahy ny "wasìlat" fa izany dia toerana avo ao amin’ny Paradisa, tsy mendrika ho amin’izany raha tsy mpanompon’Allah iray ihany, ary manantena aho fa izaho no izy, ka izay mangataka amin’Allah ho ahy "wasìlat, dia hahazo ny fanelanelanakol".
Mari-pototra Notantaraiin'i Moslim
Nitady an’i Thàbit ibn Qais ny Mpaminany (S.A.W), ka hoy ny lehilahy iray hoe : “Ry irak’Allah ô, mampahafantatra anao ny momba azy aho.” Dia tonga teo amin'i Thàbit izy ka nahita azy nipetraka tao an-tranony mitolefika ny lohany, ka hoy ny Mpaminany hoe : Inona no manjo anao? Dia niteny izy hoe : ratsy, nampiakatra ny feony ho ambony noho ny feon'ny Mpaminany (S.A.W) izy, koa zava-poana ny asany, ary anisan’ny mponin’ny Afobe izy, ka tonga ilay lehilahy nilaza taminy fa niteny an’izao sy izao izy, ka niverina tamin’ny manaraka nitondra vaovao tsara. Dia hoy izy : “Mandehana any ary lazao aminy hoe : Tsy isan'ny mponin’ny Afobe ianao, fa ho ao anisan’ny olon’ny Paradisa".
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim
“Ny tsara indrindra aminareo dia taonjatoko, avy eo ireo manaraka azy, avy eo ireo manaraka azy.” Hoy i Imran : Tsy fantatro na niteny i Mpaminany (S.A.W) hoe afaka roa na telo taonjato. Hoy i Mpaminany (S.A.W) manao hoe : “Ary ao aorianareo dia hisy olona hamadika ka tsy hatokisana, izay ho vavolombelona hanambara nefa tsy nangatahina fijorona vavolombelona, izay hampitandrina nefa tsy hatokisana hihena, ary hisy tavy hiseho ao aminy.
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim
“Tsy misy areti-mifindra, tsy misy finoanoam-poana, ary tiako ilay fambara tsara.” Hoy izy ireo: Inona no fambara? dia hoy izy : “Ny teny tsara.”
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim
Hoy ny irak’Allah : “Niteny Allah ilay Tsitoha : Izaho dia ao an-tsain’ny mpanompoko, ary Izaho momba azy rehefa mahatsiaro Ahy izy, ka raha mahatsiaro Ahy ao an-tsainy izy, dia tsaroako fa ao amiko, ary raha manonona Ahy eo amin'ny toerana iray izy, dia hahatsiaro azy eo amin'ny toerana tsara noho izany aho, Ary raha manatona ahy amin'ny irain-jehy izy, dia manatona azy amin'ny hakiho aho, ary raha manatona ahy amin'ny hakiho izy, dia manatona azy amin'ny hakiho lava aho, ary raha manatona ahy am-pandehanana mora izy, dia manatona azy amin'ny dia maika aho”.
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim
"Fantatrareo ve iza no olona bankirompitra (faillite)?" Namaly izy ireo hoe : bankirompitra aminay dia ireo izay tsy manana dirham na tsy manan-karena, niteny ny Mpaminany (S.A.W) hoe : “Ny olona bankirompitra amin’ny vahoakako, rehefa tonga ny andro farany miaraka amin’ny Swalat, fifehezana, zakat, nefa izy nanompa an'itsy, nanendrikendrika an'itsy, nisoloky fananan'itsy, nandatsa-drà an'itsy, nikapoka an'itsy, ka akana amin'ireo asa soany atolotra an'itsy, ary itsy amin'ny asa soany, rehefa lany ny asa soa vitany mialohan'ny hivitan'ny trosany dia alaina indray ny haratsiana amin’ireo olona nambakainy dia omena azy avy eo atsipy any amin’ny Afobe izy.”
Mari-pototra Notantaraiin'i Moslim