Skip to content
665 Hadiths

Encyclopedia of Prophetic Hadiths

Filter results

120 of 665 cards

Clear filters

Narrator

Show all narrators (55)
" Tsy ho tonga no sady tsy ho avy mihitsy ny Andro farany raha tsy miady amin'ny Jiosy avokoa Ianareo, mandra-pahatongavan'ny vato izay hiafenan'ny Jiosy hiteny hoe : Ry Mpino, misy Jiosy ao aoriako, ka vonoy Izy ."
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim
Hoy i Ali bin Abi Talib tamiko : Tsy haniraka anao ve aho hanao izay nanirahan'ny irak'Allah ahy? Aza avela hisy sarivongana raha tsy nipotehina, ary aza avela hisy fasana avo raha tsy ampitoviana.
Mari-pototra Notantaraiin'i Moslim
“Nomena zavatra dimy izay tsy mbola nomena an’iza na iza talohako aho : Mihorohoro amiko ao anelanelan'ny dia mandritra ny iray volana ny fahavaloko, natao ho toeram-pivavahana sy fanadiovana ho ahy ny tany, ka na aiza na aiza ny olona iray amin'ny vahoakako tratry ny oran'ny fivavahana dia aoka hivavaka avy hatrany, ary tsy voarara amiko ny zavatra azo babo, saingy voarara tamin’ny olona talohako izany, ary nomena ny fanelanelanana aho, ary ny Mpaminany rehetra dia nirahina manokana tamin’ny vahoakany, fa izaho kosa dia nirahina ho any amin'ny olombelona rehetra».
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim
"Aza mianiana amin'ny Sampy na amin'ny razanareo."
Mari-pototra Notantaraiin'i Moslim
Niaraka tamin’ny Mpaminany (S.A.W) izahay, ary nijery ny volana Izy indray alina - volana fenomanana - ka nilaza hoe : “ Fa ho hitanao tokoa ny Tomponareo tahaka ny fahitanao ity volana ity, Aza manahy ianareo ny amin’ny fahitana azy, ary raha azonareo atao ny tsy manao antsirambina ny vavaka alohan’ny fiposahan’ny masoandro sy alohan’ny filentehany, dia ataovy izany.” Ary namaky izy ny andininy : “{Ary mankalazà ny fiderana ny Tomponareo alohan’ny fiposahan’ny masoandro sy alohan’ny filentehan’ny masoandro}»-
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim
“Tsy misy tompon’ny volamena na volafotsy izay tsy mahaloa izay tokony haloany, raha tsy amin’ny Andron’ny Fitsanganana amin’ny maty no hovelarana takela-afo ho azy, ary hafanaina ao amin’ny afobe izy, dia ho dorana miaraka amin' ny lanivoany sy ny handriny ary ny lamosiny, isaky ny mangatsiatsiaka, dia haverina aminy indray izany, amin’ny andro iray izay mitovy amin’ny dimy alina, mandra-pitsarany ny mpanompony, ka hahita ny làlany, na ho any amin’ny Paradisa na any amin’ny helo".
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim
“Hisy olona any amin’ny faran’ny vahoakako hilaza aminareo zavatra izay tsy nohenonareo sy ny razanareo, koa tandremo tsara ianareo ny amin'izy ireo.”
Mari-pototra Notantaraiin'i Moslim
Hoy aho : Ry irak'Allah ô, lazao zavatra momba ny finoana silamo aho, izay tsy hanontaniako olon-kafa intsony ankoatra anao. Dia hoy izy : “Lazao hoe : Mino an’Allah aho, avy eo mijoroa mahitsy ianao”.
Mari-pototra Notantarain'i Moslim sy Ahmad