Skip to content
665 Hadiths

Encyclopedia of Prophetic Hadiths

Filter results

88 of 665 cards

Clear filters
Niteny taminay ilay Irak' Allah, ary izy no marina no sady azo itokisana : " Mandalo dingana maromaro ny fiforonan'iray Aminareo ao anaty kibon'ny Reniny : Mandritra ny Efapolo andro sy alina, dia mbola tsiron’aina, avy eo miova ho lasa vaingan-dra Efapolo Andro aorian’izany, ary lasa tahaka ny nofon-kena maditidity Efapolo Andro manaraka, ka misy Anjely irahina ka manome fofon’aina Azy, ary asaina manoratra zavatra efatra dia : Ny anjarany, sy fe-potoana izay iainany, ny asa izay hataony (tsara na ratsy), ary ho anisan’ny ory sa olon-tsambatra. Misy aminareo hanao asa fanaon’ny Olona hiditra ao am-Paradisa (araka ny fahitan’Olona azy), ka rehefa manakaiky ny fotoana hahafaty Azy dia avelany ny asa izay nataony Iny ka manao asan’Olona hiditra ao anaty Afobe Izy, ka maty ao anatin’izany dia lasa tafiditra any amin'ny (Afobe). Ary misy Aminareo ihany koa hanao asa fanaon’ny Olona hiditra ao anaty Afobe, ka rehefa manakaiky ny fotoana hahafaty Azy dia avelany izany dia manao asan’Olona hiditra ao amin'ny Paradisa Izy dia lasa tafiditra ao ".
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim
Nitaingina biby i Mpaminany (S.W.A) niaraka tamin'i Mouaz Ibn Jabal tao aoriany, ka hoy izy : "O! Ry Moa'zh ibn Jabal" Namaly izy hoe : "Eny mihaino anao aho ry irak'i Allah!". Naveriny in-telo izany, avy eo dia niteny i Mpaminany (S.A.W) hoe : " Tsy misy olona mijoro ho vavolombelona marina avy ao am-pony fa tsy misy tompo afa-tsy Allah ary i Mouhammad no irak'Allah, afa-tsy ataon'i Allah fady azy ny Afobe". Hoy i Mouaz : "Holazaiko amin'ny olona ve izany mba hahafaly azy ireo?". Dia namaly i Mpaminany (S.A.W) : “Sao dia lasa miantehitra amin'izany izy ireo”. Dia nolazain'i Mouaz ihany izany talohan'ny nahafatesany mba tsy ho tsiny aminy.
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim
Nisy andian'olona nanontany an'ny Mpaminany (S.A.W) momba ireny mpimasy ireny, dia namaly izy hoe : " Tsy misy inona hain'izy ireny". Niteny ireo olona : Ry Irak'Allah, fa izy ireo anie indraindray milaza zavatra marina, dia namaly i Mpaminany (S.A.W) : "ireny dia teny marina azon'ireo Djiny ka napetrakany amin'ny sofin'ny sakaizany ka afangarony lainga mihoatra ny zato".
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim
Nisy lehilahy iray tonga teo amin'ilay Irak'i Allah (S.A.W) avy amin'ny vahoakan'i Najdi ary mikorontam-bolo, avo feo ary tsy fantatra tsara izay lazainy ka nanantona teo akaikin'ny irak'Allah (S.A.W) nanontany momba ny Islam, dia hoy ilay Irak'i Allah (S.A.W) hoe : "Vavaka in-dimy amin'ny andro sy alina". hoy ilay rangahy : moa ve misy tokony hataoko ankoatr'izany? hoy ny Mpaminany (S.A.W) : Tsia, afa-tsy izay ataonao an-tsitrapo, ary ny fifehezana amin'ny volana Ramadany", dia hoy izy : "Moa ve misy hafa ankoatr'io?", dia hoy ny Mpaminany (S.A.W) : "Tsia, afa-tsy izay ataonao an-tsitrapo". ary nolazain'ny Mpaminany (S.A.W) taminy koa ny Zakat, dia hoy izy hoe : "Misy hafa ankoatra io ve?, dia hoy ny Mpaminany (S.A.W) : "Tsia, afa-tsy hoe izay ataonao an-tsitrapo". Dia hoy izy : Niamboho teo ilay lehilahy ary niteny hoe : "Mianiana amin'I Allah aho fa tsy hanampy no tsy hanala ireo voalaza", Ka nilaza ny Irak'Allah (S.A.W) hoe : "Hahazo fahombiazana izy raha tena marina ny nolazainy".
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim
“Izaho no lehiben’ny olona amin’ny andro fitsanganan’ny maty, ary fantatrareo ve ny dikan’izany? avorin’I Allah avokoa ny olona voalohany sy ny farany amin'ny toerana iray, handre ny mpiantso izy ireo ary hahita izany, ary hidina ambany ny masoandro, ny olona dia tratran’ny alahelo sy ny fahoriana ka tsy ho zakany dia hiteny ny olombelona hoe : «Tsy hitanareo ve ny manjo anareo, tsy mitady olona hanelanelana anareo amin’ny tomponareo ? Dia mifampiresaka ny olona ka miteny ny sasany hoe : Tokony ho any amin'i Adama ianareo, dia tonga tany amin'i Adama izy ireo, ary niteny taminy hoe : Ianao no rain'ny olombelona, noharian’I Allah tamin'ny tànany ianao ary nitsofony tao aminao ny fanahiny, ary nandidy ireo anjely hiankohoka teo anatrehanao, koa mba elanelano amin’ny tomponao izahay, moa ve tsy hitanao ny manjo atsika ankehitriny ? Tsy hitanao ve ny mahazo atsika ankehitriny? . Dia hoy i Adama : Eny tokoa, ny Tompoko dia tezitra amin'izao andro izao amin'ny fomba tsy mbola nahatezitra Azy hatrizay, ary tsy ho tezitra tahaka izany intsony Izy aorian'izany, ary izy efa nandrara ahy tamin'ny hazo nefa tsy nankatoa azy aho, ka tsy mahafantatra zavatra hafa aho ankehitriny afa-tsy ny tenako, ny tenako, ny tenako. Koa mandehana ianareo any amin'i Noha. Lasa any amin’i Noha izy ireo ka niteny hoe : Ry Noha, ianao no voalohany tamin’ireo iraka ho an’ny olona eto an-tany, ary efa nomen’I Allah anarana ianao hoe mpanompo feno fankasitrahana, koa mba elanelano amin’ny tomponao izahay, moa ve tsy hitanao ny manjo atsika ankehitriny? Hoy izy : Eny tokoa, ny Tompoko dia tezitra amin'izao andro izao amin'ny fomba tsy mbola nahatezitra Azy hatrizay, ary tsy ho tezitra tahaka izany intsony Izy aorian'izany, ary izaho dia nangataka ratsy tamin’ireo vahoakako, ka tsy mahafantatra zavatra hafa aho ankehitriny afa-tsy ny tenako, ny tenako, ny tenako, Koa mandehana ianareo makany amin’i Abraham . Lasa tany amin’i Abrahama izy ireo ka niteny hoe : Ry Ibraham, ianao mpaminanin’I Allah sy sakaizany eto an-tany, koa mba elanelano amin’ny tomponao izahay, moa ve tsy hitanao ny manjo atsika ankehitriny? Hoy izy : Eny tokoa, ny Tompoko dia tezitra amin'izao andro izao amin'ny fomba tsy mbola nahatezitra Azy hatrizay, ary izaho efa nandainga amin’ny lainga anakintelo, ka tsy mahafantatra zavatra hafa aho ankehitriny afa-tsy ny tenako, ny tenako, ny tenako, Koa mandehana ianareo makany amin’ny olon-kafa, mandehana any amin’i Mossa. Lasa tany amin’i Mossa izy ireo ka niteny hoe : Ry Mossa, ianao Dia nosafidin’I Allah tamin’ny hafany sy ny firesahany manoloana ny olombelona, koa mba elanelano amin’ny tomponao izahay, moa ve tsy hitanao ny manjo atsika ankehitriny? Hoy izy : Eny tokoa, ny Tompoko dia tezitra amin'izao andro izao amin'ny fomba tsy mbola nahatezitra Azy hatrizay, ary izaho efa nahafaty olona izay tsy nanirahana ahy hamono azy, ka tsy mahafantatra zavatra hafa aho ankehitriny afa-tsy ny tenako, ny tenako, ny tenako, Koa mandehana ianareo makany amin’ny olon-kafa, mandehana any amin’i Issa. Lasa tany amin’i Issa izy ireo ka niteny hoe : Ry Issa, ianao Irak’Allah sy teniny nitsofony tao amin’i Mary sy fanahiny, ary niresaka tamin’ny olona teo am-parafara tamin’ny voateraka, koa mba elanelano amin’ny tomponao izahay, moa ve tsy hitanao ny manjo atsika ankehitriny? Hoy izy : Eny tokoa, ny Tompoko dia tezitra amin'izao andro izao amin'ny fomba tsy mbola nahatezitra Azy hatrizay, ary tsy nanonona fahadisoana vitany, ka tsy mahafantatra zavatra hafa aho ankehitriny afa-tsy ny tenako, ny tenako, ny tenako, Koa mandehana ianareo makany amin’ny olon-kafa, mandehana any amin’i Mohammad. Lasa tany amin’i Mohammad izy ireo ka niteny hoe : Ry Mohammad, ianao Irak’Allah sy farany tamin’ireo Mpaminany, ary efa nofafan’I Allah ny fahotanao lasa sy ny mbola ho avy, koa mba elanelano amin’ny tomponao izahay, moave tsy hitanao ny manjo atsika ankehitriny? Dia mandeha aho ka tonga eo ambanin’ny seza fiandrianana, ary miankohoka eo anatrehan’ny Tompoko, ilay Mahery Indrindra, Ilay Lehibe,Avy eo Allah dia hanome ahy ny iray amin’ny fiderana Azy sy ny fiderana tsara izay tsy nomeny na iza na iza talohan’ny tenako avy eo dia ho lazaina hoe : Ry Mohammad, atsangano ny lohanao, mangataha dia homena ary raha mangataka fanelanelanana dia ho elanelana, dia hanandratra ny lohako aho ka niteny hoe : Ry Tompo o, ny vahoakako, Ry Tompo o, ny vahoakako, Ry Tompo o, ny vahoakako, Dia ho lazaina amiko hoe : Ry Mohammad, ampidiro amin’ny Paradisa avy amin’ny vahokanao ireo izay tsy mandalo fitsarana, amin’ny vavahady havanan’ny Paradisa, ary izy ireo dia mpiara-miasa amin’ny olona ao amin’ny vavahady hafa rehetra, avy eo dia dia miteny izy : Mianiana amin’ilay mitazona ny aiko eo am-pelatànany, ny eo anelanelan'ny vavahadin'ny Paradisa roa dia toy ny eo anelanelan'i Lameka sy Himyar - na eo anelanelan'i Lameka sy Bosra -».
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim
"Ny vahoakako rehetra dia miditra amin'ny Paradisa afa-tsy ireo izay nandà ihany". hoy ireo mpanara-diany hoe : O! Ry Irakan'Allah ! Iza no mandà? dia hoy izy namaly hoe : "Izay rehetra mankatò Ahy dia miditra amin'ny Paradisa; fa izay rehetra nitsipaka ahy kosa dia efa anisan'ireo nandà".
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari
Tena marina fa i Tompo Allah dia niteny hoe: Izay mandray sakaizako (Olona Mpino matahotra an'i Tompo Allah) ho fahavalony, dia efa mampilaza ady Aminy Aho. Tsy misy zavatra ataon'ny mpanompoko anakaikezana Ahy tiako mihoatra ny fanaovany an'izay nandidiako Azy . Ary tsy mitsahatra manakaiky Ahy amin'ny alalan'ireo famenon'asa hatrany ny mpanompoko (aorian'ny fanatanterahany ireo zavatra nandidiako Azy) hany ka lasa tiako Izy. Ka rehefa mankatia Azy Aho, dia Izaho no hiahy ny sofiny izay andrenesany, ny masony izay ahitany, ny tanany izay anamborany, ary ny tongony izay andehanany. Raha mangataka Amiko Izy dia homeko, ary raha mangata-piarovana Amiko Izy dia harovako.
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari
Ireo vahoaka mpanompo sampy efa namono olona im-betsaka sy nijangajanga be dia be, ka tonga nanatona an'ny mpaminany Mohammad (S.A.W) izy ireo ary niteny hoe : Eny tokoa, fa ny zavatra lazainao sy anentananao dia tsara tokoa, ka raha lazainao anay anefa fa mbola misy famelana ireo heloka vitanay, teo dia nilatsaka ny andininy masina manao hoe : “Ary izay tsy mangataka amin'ny Tompo hafa, miaraka amin'Allah, sy tsy mamono ny aina izay nataon'Allah voarara, raha tsy amin'ny fahamarinana, ary tsy mijangajanga}. -[Forqan : 68], ary nilatsaka koa ny andininy hafa hoe: “Lazao hoe : Ry mpanompoko, izay nanao ny tafahoatra tamin'ny tenany, aza very fanantenana amin'ny famindram-pon'Allah ianareo.” [Al-Zomar: 53].
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim