Skip to content
665 Hadiths

Encyclopedia of Prophetic Hadiths

Filter results

16 of 665 cards

Clear filters
“Mifikira amin'ny marina ianareo, fa ny fanaovana ny marina dia mitarika any amin’ny tsara, ary ny tsara dia mitondra any amin’ny Paradisa, ary ny olona iray dia tsy mitsahatra milaza ny marina sy miezaka ny hanao ny marina mandra-panoratana azy ho olo-marina eo anatrehan'Allah, ary mitandrema ianareo amin'ny lainga satria ny lainga mitondra makany amin'ny ratsy, ary ny faharatsiana dia mitondra any amin’ny afobe, ary tsy mitsahatra ny olona iray mandainga sy manohy ny lainga mandra-panoratana azy ho mpandainga eo anatrehan’Allah".
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim
"Tsy ilay mahay miady no lazaina fa matanjaka, fa ny matanjaka dia ireo izay mahavita mamehy ny tena rehefa tezitra".
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim
“Iray amin’ireo teny azon’ny olona avy tamin’ny tenin’ny faminaniana voalohany dia izao : ‘Raha tsy menatra intsony ianao, dia ataovy izay tianao.’ ”
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari
"Allah dia hamindra fo amin'izay olona miantra rehefa mivarotra, na mividy, na mitrosa."
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari
Ny Mpaminany (S.A.W) dia tsy maloto fitondran-tena ary tsy nanao vetaveta fa matetika milaza izy hoe : "Ny mendrika indrindra aminareo dia ireo izay manana fitondran-tena tsara indrindra."
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim
"Tsy ho mpino ny iray aminareo raha tsy efa mitia ho an'ny rahalahiny izay zavatra tiany ho an'ny tenany."
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim
“Iray amin’ireo teny azon’ny olona avy tamin’ny tenin’ny faminaniana voalohany dia izao : ‘Raha tsy menatra intsony ianao, dia ataovy izay tianao.’ ”
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari
"Ankamorao fa aza akasarotina, ary milazà vaovao mahafaly fa aza mampandositra".
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim