Skip to content
665 Hadiths

Encyclopedia of Prophetic Hadiths

Filter results

4 of 665 cards

Clear filters
“Izay miahy sy manampy ny vehivavy mananotena (maty vady) sy ny mahantra dia toy ny miady amin'ny làlan'Allah, na koa tahaka ny mitsangana mivavaka amin’ny alina na mifehy amin’ny atoandro.”
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim
"Ny vola tena tsara indrindra dia ny vola izay navokan'ny olona mba ho fanomezana amin'ireto manaraka ireto : vola izay avoakany ka nomeny ireo ankohonany, ny vola izay avokan'ny olona amin'ny biby ho fitainginy noho ny Allah, ary ny vola izay laniny amin'ireo namany noho ny amin'I Allah" Niteny i Abou Qilabah : nanomboka tamin’ireo ankohonany, avy eo i Abo Qilabah dia niteny hoe : Iza no olona mahazo valisoa lehibe mihoatra ny olona mandany vola amin’ny havany, dia hamela ny helony Allah na hanasoa sy hampanan-karena azy ireo.
Mari-pototra Notantaraiin'i Moslim
“Tsy hiditra any amin’ny paradisa ianareo raha tsy mino, ary tsy hino ianareo raha tsy mifankatia, moa tsy holazaiko zavatra iray ve ianareo ka raha manao izany ianareo dia hifankatia? Aparitaho ny fiarahabana eo aminareo".
Mari-pototra Notantaraiin'i Moslim
"Rehefa manao Ozo ny mpanompo iray" na "mpino iray", Ka manasa ny tarehiny, dia mivoaka amin'ny tarehiny miaraka amin'ilay rano ny fahotana rehetra nojeren'ny masony" na miaraka amin'ilay rano farany nilatsaka amin'ny tany". Rehefa manasa ny tànany anakiroa izy dia mivoaka manaraka ny rano mikoriana avy amin'ny tànany ihany koa ireo fahotana rehetra nataon'ny tànany". Rehefa manasa ny tongony anankiroa izy dia mivoaka manaraka ny rano mikoriana avy amin'ny tongony ireo fahotana rehetra nataon'ny tongony". na "mivoaka miaraka amin'ny rano farany milatsaka". Farany dia "Mivoaka madiodio amin'ireo fahotana rehetra vitany izy".
Mari-pototra Notantaraiin'i Moslim