Skip to content
665 Hadiths

Encyclopedia of Prophetic Hadiths

Filter results

4 of 665 cards

Clear filters
"Izay miteny hoe : Soubou-hànalloahy wa bihamidihy (Dera sy fisaoarana ho an'i Allah) in-jato isanandro, dia voafafa avokoa ny helony na dia tahaky ny rotran-dranomasina".
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim
Azo avy tamin'ny Mpaminany (S.A.W), araky ny notantarainy avy tamin'ny tompony manao hoe : "Nanota ny mpanompo iray ka niteny hoe : Tompo ô, mamelà ny fahotako; dia hoy ilay Avo Tsitoha hoe : Nanota ny mpanompoko, ary fantany fa manana tompo mamela ny heloka sy manasazy amin’ny ota izy, avy eo dia niverina nanota izy dia niteny hoe : Tompo ô, mamelà ny fahotako; dia hoy ilay Avo Tsitoha hoe : Nanota ny mpanompoko, ary fantany fa manana tompo mamela ny heloka sy manasazy amin’ny ota izy, avy eo dia niverina nanota izy dia niteny hoe : Tompo ô, mamelà ny fahotako; dia hoy ilay Avo Tsitoha hoe : Nanota ny mpanompoko, ary fantany fa manana tompo mamela ny heloka sy manasazy amin’ny ota izy, ataovy izay tianao atao fa efa navelako ny fahtoanao".
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim
"Tsy misy olona mitsangana avy amin'ny fivoriana izay tsy nahatsiarovana an'I Allah afa-tsy hoe mitsangana tahaka ny fatin'ny boriky, ka dia ho feno alahelo ho azy ireo."
Mari-pototra Notantarain'i Abo Daòd
Nandeha teny amin'ny làlan'ny Makka ny Mpaminany (S.A.W) ka nandalo teo amin'ny tendrombohitra iray antsoina hoe : "Jomdan", dia hoy izy hoe : Mandehana ianareo fa io i Jomdan, nialoha làlana ireo mofarridona". nanontany ireo mpanara_diany hoe : iza ireo Mofarridona ry irak'i Allah ? dia namaly izy hoe : "Ireo izay mpahatsiaro an'I Allah im-betsaka lahy na vavy".
Mari-pototra Notantaraiin'i Moslim