Skip to content
665 Hadiths

Encyclopedia of Prophetic Hadiths

Filter results

76 of 665 cards

Clear filters
Hoy aho : Ry irak'Allah ô, lazao zavatra momba ny finoana silamo aho, izay tsy hanontaniako olon-kafa intsony ankoatra anao. Dia hoy izy : “Lazao hoe : Mino an’Allah aho, avy eo mijoroa mahitsy ianao”.
Mari-pototra Notantarain'i Moslim sy Ahmad
“Eny tokoa, misy amin'ny olona mampiasa ny fananan’Allah tsy ara-dalàna, dia ho ny Afobe no sahaza azy ireo amin'ny andro farany".
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari
"Mifototra amin'ny finiavana ny asa rehetra, ary izay nokasainy ihany no valisoa ho azon'ny olona iray. Koa na iza na iza nanao fifindra-monina mankany amin'i Tompo Allah sy ny Irany, dia hahazo valisoan'ny fifindra-monina any amin'i Tompo Allah sy ny Irany, ary izay nanao fifindra-monina nohon'ny fiainana ety an-tany na vehivavy ho vadiny, dia noho izany tokoa no valisoa ho azony tamin'ilay fifindra-monina izay nataony”.
Mari-pototra Notaterin'ireo Imamo roa lehibe amin'ny Hadith: Abo Abdillah, Mohammad ibn Ismail ibn Ibrahim ibn Al-moghirah ibn Bardizbah Al-bokhari, sy Abo Al-hosain, Moslimo ibn Al-hajjaj ibn Moslimo, Al-qoshairi An-naisaabori; ao amin'ny bokin'izy roa, izay marina indrindra amin'ny boky nosoratan'olombelona (momba ny Hadith).
"Aza manaiky ho faty ny iray aminareo afa-tsy efa nanatsara ny heritreriny amin'I Allah izy".
Mari-pototra Notantaraiin'i Moslim
Nanontaniko ny irak'Allah momba ny fahitana tampoka, ka nodidiany aho mba hanodina ny fijeriko".
Mari-pototra Notantaraiin'i Moslim
" Alaviro lavitra no sady hialao ity fahalotoana izay noraran'i Tompo Allah ity. Ka izay manao izany, dia aoka Izy hanafina ny tenany amin'ny fiafenan'i Tompo Allah ary hibebaka amin'i Tompo Allah, fa na iza na iza manambara ny fahotany Aminay, dia ho tanterahiko Aminy izay voasoratran'i Tompo Allah, ilay avo Tsitoha."
Mari-pototra Notaterin'i Al-Hàkimo sy Al-Bayhaqi
“Mamy sy maitso tokoa ny eto an-tany, ary Allah nametraka anareo ao aminy ka hijery izay ataonareo. Koa matahora ny eto an-tany ary matahora ny vehivavy, fa ny fiandohan’ny fakam-panahy ho an’ny Zanak’Israely dia tamin'ny vehivavy.”
Mari-pototra Notantaraiin'i Moslim
"Tsy namela fakam-panahy mampidi-doza ao aoriako mihaotra ny lehilahy amin'ny vehivavy aho."
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim