Skip to content
665 Hadiths

Encyclopedia of Prophetic Hadiths

Filter results

76 of 665 cards

Clear filters
"Izay mangataka amin'I Allah ho maty maritiora amin'ny fahamarinana, dia homen'I Allah azy ny toeran'ny maritiora, na dia maty eo am-pandriany aza izy."
Mari-pototra Notantaraiin'i Moslim
“ Ialao avokoa ireo fahotana fito izay maharendrika .” ka Niteny avokoa ireo Mpanara-diany Mpaminany ( S.A.W) manao hoe : Ry iraka mahafatokin'i Allah O ! ka mba inona avokoa moa ary izy ireo? dia namaly Izy ka Niteny hoe : “Ny fanakambanana ny fanompoana an’i Allah amin'ny zavatra hafa, ny filalaovana ireo Aody mahery, ny famonoan'Olona tsy amin'ny rariny izay noraran’i Tompo Allah afa-tsy amin’ny fahamarinana ihany, fihinana ny zana-bola, fihinana ny volan’ireo kamboty, ary fandosirana amin’ny Ady masina, fanendrikendrehana ireo vahoaka Mpino vavy madio ara-mpitondran-tena .”
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim
“Hiantso ny mpiantso manao hoe : Anareo dia ho salama ka tsy harary intsony, ary anareo ho velona ka tsy ho faty intsony, ary anareo ho tanora ka tsy ho antitra intsony, ary hosoavina ianareo ka tsy ho ory intsony" Izany dia ilay tenin'Allah manao hoe : {Ary antsoina ianareo ary hampidirina ao amin'ny Paradisa ianareo valin'izay nataonareo } [Al-A’raf: 43].
Mari-pototra Notantaraiin'i Moslim
"Tsy misy biby, na vorona, na androngo, na tsintsina, fa mandosira ireo boka ianareo tahaka ny fandosiranao ny liona."
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim
"Fahombiazana ho an'izay niditra amin'ny finoana silamo, ary nomena anjara ampy azy ary afa-po amin'izay nomen'I Allah azy."
Mari-pototra Notantaraiin'i Moslim
“Ny ohatry ny namana tsara sy ny namana ratsy dia toy ny mpivarotra ranomanitra Misk sy mpanefy vy, ny mpivarotra Misk : na omeny ianao na mividy aminy na maheno fofona manitra fona, fa ny mpanefy vy : na mandoro ny lambanao, na maheno fofona ratsy".
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim
" Ny fidiovana dia tafiditra ho anisany an-tsasakin'ny finoana; ary ny fitenenana hoe : " Alhamdolillahy " (Dera sy vonahitra ary fisaorana feno fankasitrahana ho an'i Tompo Allah) dia mameno ny vato fandajana ny fitenenana hoe : " Sobohànallah wa alhamdolillàhy " (Midera sy mankasitraka an'i Tompo Allah) dia mameno ny manelanelana ny lanitra sy ny tany izany ; ny Soalat (fanompoam-pivavahana an'i Tompo Allah) dia hazavana; ny Soadakat (fanomezana an-tsitrapo) dia porofo (amin'ny fahamarinan'ny finoana); ny faharetana dia fanilo, ary ny Boky masina Koroany dia porofo miaro Anao amin'ny rehetra na mety manohitra Anao ihany koa. Ka ny Olona rehetra dia samy mivoaka avokoa amin'ny maraina, ary mivarotra ny tenany (amin'ny alalàn'ny fampiasana azy mba hahazoana ny takalo izay ilaina), ka na manavotra azy Izy amin'izany, na koa mandentika Azy. "
Mari-pototra Notantaraiin'i Moslim
Tsy misy zavatra fenoin'ny Olombelona ratsy mihoatra ny kibony. Ampy ny Olombelona sakafo vitsivitsy afaka mampitraka ny hazon-damosiny. Saingy raha tsy vitany mihitsy, dia aoka ary ny ampahatelony ho an'ny sakafony, ampahatelony ho an'ny fisotrony, ary ampahatelony ho an'ny rivotra iainany.
Mari-pototra Notaterin'i Imam Ahmadi sy Tirmizi sy Nasày ary Ibno Màdjah