Skip to content
665 Hadiths

Encyclopedia of Prophetic Hadiths

Filter results

59 of 665 cards

Clear filters
“Eny tokoa fa Allah Ilay Tsitoha mamelatra ny tànany amin’ny alina mba hamela heloka ny mpanota amin’ny atoandro, ary mamelatra ny tànany amin’ny atoandro mba hamela heloka ny mpanota amin’ny alina, mandra-piposahan’ny masoandro avy any andrefana”.
Mari-pototra Notantaraiin'i Moslim
“Hoy Allah ilay Avo Indrindra : Efa nomaniko ho an’ny mpanompoko mpanao asa soa izay tsy mbola hitan’ny maso, na ren’ny sofina, ary tsy mbola noheverin’ny fon’ny olombelona hatrizay.” Hoy i Abo Horaïrah : “vakio raha tianareo : {Fa tsy misy olona mahalala izay takona aminy mba hampiononana ny masony} [Al-Sajdah: 17] .
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim
Niaraka tamin’ny irak’Allah (S.A.W) izahay, ka nandre fidobokan-javatra izy, dia hoy ny Mpaminany (S.A.W) : “Fantatrareo ve izany? Hoy izahay : Allah sy ny Irany ihany no mahalala azy, dia hoy izy : «Izany dia vato natsipy tao amin'ny afobe tamin'ny taona fitopolo lasa izay, ary mivarina any amin'ny afo mandra-pahatongany any ambany indrindra».
Mari-pototra Notantaraiin'i Moslim
"Jereo izay ambany aminareo, ary aza mijery izay ambony aminareo, fa tsara kokoa raha tsy manao tsinontsinona ny fitahian'I Allah aminareo."
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim
“Izay midina avy any an-tendrombohitra ka mamono tena dia ho ao amin’ny afobe, hitoetra ao mandrakizay, ary izay misotro poizina ka mamono tena, dia ho eny an-tànany ny poizina, ho tsapany ao amin’ny afobe izany, ary izay mamono tena amin’ny vy dia ho eny an-tànany ny vy, ka hampidiriny ao an-kibony ao amin’ny afobe mitoetra ao mandrakizay".
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim
“Ho lazaiko anareo ve ny fahotana lehibe indrindra?”naveriny in-telo". Hoy izy ireo namaly: “Eny, ry irak’i Allah.” Dia hoy izy : “Ny fampirafesana an'I Allah, ny tsy fanajana Ray aman-dreniny.” Nipetraka izy no sady niakina ka niteny hoe : “Tandremo ny fijorona vavolombelona amin'ny lainga.” Tsy nitsahatra namerimberina izany izy, ka nahatonga izahay niteny hoe : Enga anie izy mba hangina.
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim
"Niatomboka ny finoana Silamo toy ny vahiny, ary hiverina amin'ny fomba niandohany toy ny vahiny ihany koa, ka sambatra ireo vahiny."
Mari-pototra Notantaraiin'i Moslim
"Olona fito no ahazo halokaloky ny tompo Allah amin'ny andro izay tsy misy haloka afa-tsy ny halony irery ihany : Mpitarika amin'ny làlana mahitsy, tanora voataiza tao anatin'ny fanompoana an'I Allah, olona nanankina ny fony amin'ny Moske, olona roa nifankatia noho ny tompo Allah ka nitambatra vokatr'izany ary nisaraka noho izany ihany koa, lehilahy iray nantsoin'ny vehivavy tsara tarehy sy mpanan-karena mba hijangajanga aminy saingy niteny hoe : Izaho dia matahotra an'I Allah, olona namoaka fanomezana tsy nirehareha; ka ny tànany havia aza tsy nahalala izay navoaky ny tànany havanana, ary olona iray nahatsiaro an'I Allah no latsa-dranomaso ka nihafara tamin'ny fahajambana".
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim