Skip to content
665 Hadiths

Encyclopedia of Prophetic Hadiths

Filter results

126 of 665 cards

Clear filters

Narrator

Show all narrators (56)
"Allah ô! Tsy milavolefona aho afa-tsy Aminao, sy Ianao ihany no inoako, Ianao ihany no itokiako, Ianao ihany no iverenako (ibebahako) ary noho Ianao ihany no iadiako. Allah ô! mitady fiarovana amin'ny Voninahitrao, tsy misy Tompo marina afa-tsy Ianao, mba tsy havilinao làlana aho; Ianao no ilay Velona tsy mba maty, ny Djiny sy ny olombelona dia ho faty avokoa".
Mari-pototra Nifanekena, ary ity dia arakan'ny fomba voalaza ao amin'ny Moslim, ary notaterin'i Bokhari nohafohezina.
“Ny toerana ambany indrindra ho azon’iray aminareo any amin’ny Paradisa dia rehefa misy miteny aminy hoe : "Inona ny fanirinao, dia naniry izy, ary naniry zava-tsoa, dia hanontaniana izy hoe : "Efa nanao faniriana ve ianao?" Hoy izy : Eny, ary holazaina aminy hoe : Ho azonao izay nirinao ary izay mitovy amin'izany miaraka aminy".
Mari-pototra Notantaraiin'i Moslim
Nanontany an'ilay Irakan'i Tompo Allah Aho ny amin'ny hatsarana sy ny fahotana, dia hoy Izy namaly : " Ny hatsarana dia ny fahatsaran-toetra, ary ny fahotana dia izay tsy mahatony ny ao am-ponao, ary halanao ny haseho amin'ny Olona ".
Mari-pototra Notantaraiin'i Moslim
"Aza mianatra fahalalana Ianareo ka ho entina hifaninanana amin' ireo manam-pahalalana, na koa ho entina hanambanina ireo tsy mahalala, na koa ho entina hahazoana toerana tsara, fa izay manao izany dia Afobo Afobe".
Mari-pototra Notantarain’i Ibn Màjah
" Ny toerana izay tena ho hanakakaizan'ny Mpanompo iray amin'ny Tompony dia rehefa amin'ny fotoana Izy miankohoka amin'ny fanaovana ny Soalat, ka habetsao indrindra ny Fangatahana ".
Mari-pototra Notantaraiin'i Moslim
" Tena marina fa efa mazava ny Azo atao ary mazava ihany koa ny Voarara , ary misy ireo Zavatra mitovitovy mety mampisalasala izay tsy fantatry ny maro, ka izay miala amin'ny Zavatra mampisalasala dia ho afaka tsy omena tsiny amin'ny finoany sy ny voninahiny, ary izay latsaka amin'ny Zavatra mampisalasala kosa dia Lavo tany amin'ny zava-pady, toy ny Mpiandry ondry mihina ahitra manodidina ny Zaridaina ka saika hihina ahitra eny ireo Ondry. Eny tokoa, ny Mpanjaka rehetra dia manana Zaridaina. Ary ny Zaridain'ny Tompo Allah dia ireo zava-pady izay Nofaritany. Misy Nofo iray tokoa amin'ny Vatana. Raha tsara izany, dia lasa tsara avokoa amin'ny Vatana, fa raha Simba izany, dia simba avokoa ny Vatana rehetra, tsy inona akory izany fa ny Fo ".
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim
“Ry Abo Said, Izay afa-po amin’Allah ho Tompony, sy ny silamo ho finoany, ary i Mohamad ho Mpaminaniny, dia azo antoka ho azy ny Paradisa.” Dia talanjona i Abo Sa’id ka niteny manao hoe : Avereno amiko ry irak’Allah, dia naveriny, avy eo izy niteny hoe : “Ary ny iray hafa izay hampiakarana ny haavon’ny mpanompo ao amin’ny Paradisa ho zato avo heny, ary isaky ny haavony dia mitovy ny elanelan’ny lanitra sy ny tany .” Hoy i Said hoe : Inona izany ry irak’Allah? Dia hoy i Mpaminany (S.A.W) hoe : "Jihad ho an'I Allah, jiady ho an'I Allah."
Mari-pototra Notantaraiin'i Moslim
“Mifaneke amiko ianareo fa tsy hanompo afa-tsy Allah irery ihany, tsy hangalatra, tsy hijangajanga, tsy mamono ny zanakareo, tsy hitondra lainga izay noforoninao teo anatrehanareo, tsy manao fahotana izay efa fantatra, Koa izay manatanteraka ny adidiny aminareo, dia any amin’I Allah ny valisoany, ary izay tsy nahatandrina izany dia voasazy eto an-tany, dia ho fanavotana ho azy izany, ary izay tsy nahatandrina ampahany tamin'izany nefa nosaronan'I Allah, dia an’I Allah izy, raha sitran'I Allah dia havelany heloka, ary raha sitrany dia hofaiziny izy.
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim