Skip to content
665 Hadiths

Encyclopedia of Prophetic Hadiths

Filter results

126 of 665 cards

Clear filters

Narrator

Show all narrators (56)
Hoy aho : Ry irak'Allah ô, inona no famonjena? Dia hoy izy : “Tandremo ny lelanao, ary halalao ho anao ny tranonao, ary mitomaniza amin'ny fahotanao.”
Mari-pototra Notantarain'i Al-Tirmizì sy Ahmad
“Tsy misy olona manota, ka nitsangana nidio (nanao ouzò) ary nivavaka, avy eo dia mangataka famelan-keloka amin’Allah, afa-tsy mamela azy i Allah", avy eo izy namaky ity andininy masina ity : {Ary ireo rehetra izay nanao fahavetavetana, na koa nanao ny tsy rariny tamin'ny tenany; ka mahatsiaro an'Allah dia mangataka avy hatrany ny famelan-keloka taminy noho ireo heloka vitany} [Ãl Imran: 135].
Mari-pototra Notantarain'i Abo Daòd, Al-Tirmizì, Al-Nasàì ao amin'ny Al-Kobra, Ibn Màjah, ary Ahmad
Tonga tao amin'ny Mpaminany (S.A.W) i Fatima (R.A), ka nitaraina taminy ny dian'ny vato fitotoam-bary teny an-tànany, ary henony fa nisy andevo tonga tao amin'ny Mpaminany (S.A.W) saingy tsy tratrany izy, ka nolazainy tamin'i Aisha (R.A), ka rehefa tonga izy dia nolazain'i Aicha taminy,nilaza izy: Tonga tany aminay izy, ary efa teo am-pandrina izahay, ka nitraka hitsangana izahay, dia hoy ny Mpaminany (S.A.W) hoe : "mijanona eo amin'ny toeranareo ianareo roa" ary nipetraka teo anelanelanay roa mandra-pahatsapako ny fangatsiahan’ny tongony teo amin’ny kiboko, dia niteny izy hoe : “Tsy ho lazaiko aminareo roa ve ny zavatra tsara kokoa noho izay nangatahinareo tamiko? Rehefa miakatra eo am-pandrina ianareo roa - na rehefa nikasa handeha hatory - dia mitenena hoe : "Sobhaanah" in-telo amby telopolo, "Alhamdolillahi" in-telo amby telopolo, ary "Allaho Akbar" in-efatra amby telopolo, izany dia tsara lavitra aminareo roa mihoatry ny mpanampy."
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim
Ny mpaminanin’I Allah (S.A.W) dia niteny tamin’ny fotoan’ny fahasarotana hoe : “Tsy misy tompo afa-tsy Allah, Ilay Lehibe, Ilay Mahari-po, tsy misy tompo afa-tsy Allah tompon'ilay seza fiandrianana lehibe, tsy misy tompo afa-tsy Allah Tompon’ny lanitra, Tompon’ny tany, Tompon’ny seza fiandrianana ambony”.
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim
“Aza manompa na manozona ny rivotra, fa rehefa mahita izay halanao ianao, dia lazao hoe : Allah ô, mangataka aminao ny soa ho entin’ity rivotra ity izahay, ny soa amin’izay ao anatiny, ary ny soa ho an’izay nandidianao azy, Ary mangataka fiarovana aminao amin’ny faharatsian’ity rivotra ity sy ny faharatsian’izay ao anatiny ary ny faharatsian’izay nandidianao azy”.
Mari-pototra Notantarain'i Al-Tirmizì
I Mpaminany (S.A.W) dia tsy mbola namela ireto Doan ireto isaky ny hariva sy ny maraina : "Allah ô, mangataka aminao aho mba hahita soa eto an-tany sy ny any ankoatra, Allah ô! Mangataka famelan-keloka sy fiadanan-tsaina aminao aho amin’ny finoako, ny tontoloko, ny fianakaviako, ary ny harenako, Allah ô, sarono ny kilemako – na : ary arovy ny zava-fahotako, Allah ô, arovy ny eo anoloako sy ny any aoriako, any ankavanako sy ny ankaviako, ary any amboniko ary mangaraka fiarovana aho mba tsy ho vonoina avy ambaniko".
Mari-pototra Notantarain'i Abo Daòd, Al-Nasàì, Ibn Màjah, ary Ahmad
Lehiben'ny fangataham-pamelana dia ny fitenenana hoe : Allahoumma Anta Rabbi Lailaha Illa Anta; Khalaqtani Wa Ana Abdouka Wa Ana 'Ala Ahdika Wa Wa'adika Mastatwa'atou; Abou'ou Laka Bini'imatika 'Alaya; Wa Abou'ou Bizanbi; Faghfirli Fa innahou La Yaghfirou Zounouba Illa Anta. Izay midika hoe : Tompo Allah o, Ianao no tompoko, Tsy misy tompo mendrika ho tompoina afa-tsy Ianao, Ianao no nahary ahy ary izaho no mpanomponao, Hanaraka ireo nifanekeko taminao aho sy ny fampanantenana arak’izay vitako, Arovy aho amin’ireo ratsy vitako, Miaiky ireo fahasoavanao ato amiko aho, Miaiky ny fahotako aho, Mamelà ahy, Fa tsy misy hamafa ny fahotako afa tsy ianao irery ihany. Hoy izy : “Ary izay miteny an’izany amin’ny antoandro am-patokisana tanteraka ary maty amin'ny atoandro alohan’ny ahatongavan'ny hariva, dia ho isan’ny olon’ny Paradisa izy, ary izay miteny an’izany amin’ny alina am-patokisana tanteraka ary maty amin'ny alina alohan’ny ahatongavan'ny maraina, dia ho isan’ny olon’ny Paradisa izy".
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari
“Izay miteny hoe : Izaho manaiky an’Allah ho Tompoko, ny finoana Silamo ho fivavahako, ary i Mohamad ho iraka, dia azo antoka ho azy ny Paradisa”.
Mari-pototra Notantarain'i Abo Daòd