Skip to content
665 Hadiths

Encyclopedia of Prophetic Hadiths

Filter results

91 of 665 cards

Clear filters
“Ny olona mahatsiaro ny Tompony sy ny tsy mahatsiaro ny Tompony dia ohatry ny velona sy ny maty" Amin'ny fitantaran'i Moslim dia miteny izy hoe : Ny trano nahatsiarovana an'I Allah sy ny trano tsy nahatsiarovana azy, dia tahaka ny velona sy ny maty”.
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim
"Aza manaiky ho faty ny iray aminareo afa-tsy efa nanatsara ny heritreriny amin'I Allah izy".
Mari-pototra Notantaraiin'i Moslim
Nanontaniko ny irak'Allah momba ny fahitana tampoka, ka nodidiany aho mba hanodina ny fijeriko".
Mari-pototra Notantaraiin'i Moslim
“Mamy sy maitso tokoa ny eto an-tany, ary Allah nametraka anareo ao aminy ka hijery izay ataonareo. Koa matahora ny eto an-tany ary matahora ny vehivavy, fa ny fiandohan’ny fakam-panahy ho an’ny Zanak’Israely dia tamin'ny vehivavy.”
Mari-pototra Notantaraiin'i Moslim
“Ny fon’ny zanak’i Adama dia eo anelanelan’ny rantsan-tànan’Ilay Mpamindra fo, toy ny fo iray, ary ataony amin’izay tiany hatao izany.” Avy eo niteny i Mpaminany (S.A.W) manao hoe : “Tompo Allah ô! Ianao no Mpamadibadika ny fo, ka apetraho eo amin'ny fankatoavana anao ny fonay".
Mari-pototra Notantaraiin'i Moslim
"Tsy namela fakam-panahy mampidi-doza ao aoriako mihaotra ny lehilahy amin'ny vehivavy aho."
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim
Nipetraka niaraka tamin’ny Mpaminany (S.A.W) aho, ary nisy roa lahy nanontany, ny tarehin’iray tamin’izy ireo nivaramena ary nivonto ny lalan-drany, ka hoy ny Mpaminany (S.A.W) : "Fantatro ny teny iray fa raha miteny izany izy, dia hiala aminy ny olana. Raha niteny izy hoe : Mangataka fiarovana amin'IAllah manoloana an'i Satana aho, dia hiala aminy ny olana" Dia hoy izy ireo taminy : ny Mpaminany (S.A.W) niteny hoe “Mitadiava fiarovana amin’I Allah manoloana ny Satana.” Dia hoy izy : Very saina ve aho?
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim
“Karazany roa amin'ireo olon'ny Afobe tsy nihitako izy ireo, ny olona manana karavasy toy ny rambon’omby ikapohana olona, ​​ary ny vehivavy ratsy fitafy sy mitanjaka, mpanome fakampanahy, tsy mivoana amin'ny tsy fanarahan-dalàna, manojonojo ny lohony toy ny trafon-drameva, tsy hiditra ao amin’ny Paradisa izy ireo ary tsy haheno ny fofony, ary ny fofony dia heno amin'ny fandehanana tahaka izao sy izao.”
Mari-pototra Notantaraiin'i Moslim