Skip to content
665 Hadiths

Encyclopedia of Prophetic Hadiths

Filter results

91 of 665 cards

Clear filters
" Tena marina fa efa mazava ny Azo atao ary mazava ihany koa ny Voarara , ary misy ireo Zavatra mitovitovy mety mampisalasala izay tsy fantatry ny maro, ka izay miala amin'ny Zavatra mampisalasala dia ho afaka tsy omena tsiny amin'ny finoany sy ny voninahiny, ary izay latsaka amin'ny Zavatra mampisalasala kosa dia Lavo tany amin'ny zava-pady, toy ny Mpiandry ondry mihina ahitra manodidina ny Zaridaina ka saika hihina ahitra eny ireo Ondry. Eny tokoa, ny Mpanjaka rehetra dia manana Zaridaina. Ary ny Zaridain'ny Tompo Allah dia ireo zava-pady izay Nofaritany. Misy Nofo iray tokoa amin'ny Vatana. Raha tsara izany, dia lasa tsara avokoa amin'ny Vatana, fa raha Simba izany, dia simba avokoa ny Vatana rehetra, tsy inona akory izany fa ny Fo ".
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim
“Ry Abo Said, Izay afa-po amin’Allah ho Tompony, sy ny silamo ho finoany, ary i Mohamad ho Mpaminaniny, dia azo antoka ho azy ny Paradisa.” Dia talanjona i Abo Sa’id ka niteny manao hoe : Avereno amiko ry irak’Allah, dia naveriny, avy eo izy niteny hoe : “Ary ny iray hafa izay hampiakarana ny haavon’ny mpanompo ao amin’ny Paradisa ho zato avo heny, ary isaky ny haavony dia mitovy ny elanelan’ny lanitra sy ny tany .” Hoy i Said hoe : Inona izany ry irak’Allah? Dia hoy i Mpaminany (S.A.W) hoe : "Jihad ho an'I Allah, jiady ho an'I Allah."
Mari-pototra Notantaraiin'i Moslim
“Mifaneke amiko ianareo fa tsy hanompo afa-tsy Allah irery ihany, tsy hangalatra, tsy hijangajanga, tsy mamono ny zanakareo, tsy hitondra lainga izay noforoninao teo anatrehanareo, tsy manao fahotana izay efa fantatra, Koa izay manatanteraka ny adidiny aminareo, dia any amin’I Allah ny valisoany, ary izay tsy nahatandrina izany dia voasazy eto an-tany, dia ho fanavotana ho azy izany, ary izay tsy nahatandrina ampahany tamin'izany nefa nosaronan'I Allah, dia an’I Allah izy, raha sitran'I Allah dia havelany heloka, ary raha sitrany dia hofaiziny izy.
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim
“Rehefa miditra ao amin’ny Paradisa ny olona ao amin’ny Paradisa, dia hiteny Allah hoe : Mbola mila zavatra hafa homeko ve ianareo? Dia hamaly izy ireo : Tsy efa nazavainao ve ny tarehinay? sy nampidirinao tao amin’ny Paradisa ve izahay ka namonjy anay tamin’ny helo? hoy izy : “Dia hesorina ny zavatra manakona ny maso, ka tsy nomena zavatra tsara sy tian'izy ireo mihoatry ny mijery ny Tompony, ilay Tsitoha sy Lehibe.
Mari-pototra Notantaraiin'i Moslim
Hoy aho : Ry irak'Allah ô, lazao zavatra momba ny finoana silamo aho, izay tsy hanontaniako olon-kafa intsony ankoatra anao. Dia hoy izy : “Lazao hoe : Mino an’Allah aho, avy eo mijoroa mahitsy ianao”.
Mari-pototra Notantarain'i Moslim sy Ahmad
"Allah ô! Mitady fiarovana Aminao aho amin'ny fanjavonan'ny fahasoavanao, ny fiovan'ny fahasalamana avy Aminao, ny fahatampohan'ny valifatinao, ary ny fahatezeranao rehetra.
Mari-pototra Notantaraiin'i Moslim
"Mifototra amin'ny finiavana ny asa rehetra, ary izay nokasainy ihany no valisoa ho azon'ny olona iray. Koa na iza na iza nanao fifindra-monina mankany amin'i Tompo Allah sy ny Irany, dia hahazo valisoan'ny fifindra-monina any amin'i Tompo Allah sy ny Irany, ary izay nanao fifindra-monina nohon'ny fiainana ety an-tany na vehivavy ho vadiny, dia noho izany tokoa no valisoa ho azony tamin'ilay fifindra-monina izay nataony”.
Mari-pototra Notaterin'ireo Imamo roa lehibe amin'ny Hadith: Abo Abdillah, Mohammad ibn Ismail ibn Ibrahim ibn Al-moghirah ibn Bardizbah Al-bokhari, sy Abo Al-hosain, Moslimo ibn Al-hajjaj ibn Moslimo, Al-qoshairi An-naisaabori; ao amin'ny bokin'izy roa, izay marina indrindra amin'ny boky nosoratan'olombelona (momba ny Hadith).
Ny Douan matetika nataon’ny Mpaminany (S.A.W) dia ny hoe : “Rabbana Àtina fì donia hassanatan wafil-àkhiraty hasanatan wakina azaban nary - izay midika hoe : Tomponay ô, omeo anay ny hatsarana eto an-tany sy ny soa any an-koatra, ary arovy amin’ny sazin’ny afobe izahay”.
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim