Skip to content
665 Hadiths

Encyclopedia of Prophetic Hadiths

Filter results

91 of 665 cards

Clear filters
"Ny fitenenana Soubohànalloàhi, wale-hamdou Lillàhy, walà ilàha illal-làhoU, wallàho Akbaro, dia tiako lavitra mihoatrany andro niposahan'ny masoandro".
Mari-pototra Notantaraiin'i Moslim
“Izay manana toetra efatra ireto dia tena mpihatsaravelatsihy madiodio, ary izay manana ny iray amin’ireo dia manana toetra fihatsarambelatsihy mandra-pialany aminy : Raha miteny izy dia mandainga, raha manao fanekena izy dia mamitaka, raha mampanantena dia mivadika, ary raha mifanolana amin'ny olona dia mihoam-pefy.
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim
Nisy lehilahy iray nanontany ny Mpaminany (S.A.W) momba ny ora farany manao hoe : Rahoviana ny ora farany? dia namaly izy : “Mba inona no nomaninao ho amin’izany?” Hoy ilay rangahy : Tsy misy na inona na inona afa-tsy ny fitiavako an’I Allah sy ny irany. Dia hoy ny Mpaminany (S.A.W) : "ianao dia miaraka amin'izay tianao". Hoy i Anas : Tsy nisy teny nahafaly anay mihoatra io tenin’ny Mpaminany (S.A.W) hoe : “Ianao dia miaraka amin’izay tianao". Mbola niteny i Anas manao hoe : "Tiako ny Mpaminany (S.A.W) sy i Abo Bakr ary i Omar, ary manantena ny hiaraka amin’izy ireo aho noho ny fitiavako azy ireo, na dia tsy manao asa soa goavana toy ny nataon'izy ireo aza aho.
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim
Aza mifampialona ianareo, aza mifanongom-barotra amin'ny lavanty raha tsy hividy, aza mifankahala, aza mifanome lamosina, aza mivarotra handravana ny varotry ny hafa (raha efa nifanaraka ny mpividy sy ny mpivarotra amin'ny entana sy ny vidiny); fa meteza ianareo ho mpanompo an'I Allah mpirahalahy. Ny mpino silamo dia rahalahin'ny mpino silamo namany; ka tsy anaovany ny tsy rariny izy, tsy avelany irery (rehefa mila azy), tsy andaingany, tsy ambanimbaniny. Ny fahatahorana an'I Allah dia ato, naveriny intelo izany, sady manondro ny fony izy miteny azy. Ampy mampiseho ny haratsiam-panahin'olona iray ny fanambaniany ny rahalahiny mpino silamo. Ny rehetra mikasika ny mpino silamo dia fady avokoa, tsy azon'ny mpino silamo kasikasihina : ny ràny (ainy) sy ny fananany ary ny haja amam-boninahiny.
Mari-pototra Notantaraiin'i Moslim
Hoy aho : Ry irak'Allah ô, lazao zavatra momba ny finoana silamo aho, izay tsy hanontaniako olon-kafa intsony ankoatra anao. Dia hoy izy : “Lazao hoe : Mino an’Allah aho, avy eo mijoroa mahitsy ianao”.
Mari-pototra Notantaraiin'i Moslim
“Ny antokon’olona voalohany hiditra ao amin’ny Paradisa dia hitovy endrika amin’ny volana fenomanana, ary ny manaraka azy dia ho tahaka ny kintana mamirapiratra eny amin’ny lanitra. ,Tsy mamany sy mangery izy ireo, tsy mandrora sns, volamena ny fihogony, misk ny hatsembohany, ary aloe vera sy manitra oud ny fandoroana azy. Ary ny vadiny dia tsara tarehy, noforonina tamin'ny fon'ny lehilahy iray, tahaka ny endrik’i Adama rainy, enim-polo hakiho miakatra any an-danitra.”
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim
"Rehefa mampifanena sabatra ny mpino Islamo roa, dia samy any amin'ny Afobe avokoa na ny mpamono na ilay maty", Niteny aho hoe : Fa ahoana momba ilay novonoina? Namaly Izy manao hoe : "Satria izy niezaka mafy hamono ny rahalahiny".
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim
"Niteny tompo Allah ilay avo Tsitoha : Izaho mahaleo tena tsy mila mpiara-miombina amiko, izay manao asa fanompoana ka nanambarany ahy amin'ny hafa dia havelako izy sy ny asany".
Mari-pototra Notantaraiin'i Moslim