Skip to content
665 Hadiths

Encyclopedia of Prophetic Hadiths

Filter results

91 of 665 cards

Clear filters
“Izay midina avy any an-tendrombohitra ka mamono tena dia ho ao amin’ny afobe, hitoetra ao mandrakizay, ary izay misotro poizina ka mamono tena, dia ho eny an-tànany ny poizina, ho tsapany ao amin’ny afobe izany, ary izay mamono tena amin’ny vy dia ho eny an-tànany ny vy, ka hampidiriny ao an-kibony ao amin’ny afobe mitoetra ao mandrakizay".
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim
“Ho lazaiko anareo ve ny fahotana lehibe indrindra?”naveriny in-telo". Hoy izy ireo namaly: “Eny, ry irak’i Allah.” Dia hoy izy : “Ny fampirafesana an'I Allah, ny tsy fanajana Ray aman-dreniny.” Nipetraka izy no sady niakina ka niteny hoe : “Tandremo ny fijorona vavolombelona amin'ny lainga.” Tsy nitsahatra namerimberina izany izy, ka nahatonga izahay niteny hoe : Enga anie izy mba hangina.
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim
"Niatomboka ny finoana Silamo toy ny vahiny, ary hiverina amin'ny fomba niandohany toy ny vahiny ihany koa, ka sambatra ireo vahiny."
Mari-pototra Notantaraiin'i Moslim
Hoy ny irak’Allah : “Niteny Allah ilay Tsitoha : Izaho dia ao an-tsain’ny mpanompoko, ary Izaho momba azy rehefa mahatsiaro Ahy izy, ka raha mahatsiaro Ahy ao an-tsainy izy, dia tsaroako fa ao amiko, ary raha manonona Ahy eo amin'ny toerana iray izy, dia hahatsiaro azy eo amin'ny toerana tsara noho izany aho, Ary raha manatona ahy amin'ny irain-jehy izy, dia manatona azy amin'ny hakiho aho, ary raha manatona ahy amin'ny hakiho izy, dia manatona azy amin'ny hakiho lava aho, ary raha manatona ahy am-pandehanana mora izy, dia manatona azy amin'ny dia maika aho”.
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim
“Lazao hoe : ‘Allah ô, tariho aho ary arovy aho, ary tsarovy amin'ny fitarihanao ny làlana, ary ny famaliana dia famalian’ny zana-tsipìka".
Mari-pototra Notantaraiin'i Moslim
"Olona fito no ahazo halokaloky ny tompo Allah amin'ny andro izay tsy misy haloka afa-tsy ny halony irery ihany : Mpitarika amin'ny làlana mahitsy, tanora voataiza tao anatin'ny fanompoana an'I Allah, olona nanankina ny fony amin'ny Moske, olona roa nifankatia noho ny tompo Allah ka nitambatra vokatr'izany ary nisaraka noho izany ihany koa, lehilahy iray nantsoin'ny vehivavy tsara tarehy sy mpanan-karena mba hijangajanga aminy saingy niteny hoe : Izaho dia matahotra an'I Allah, olona namoaka fanomezana tsy nirehareha; ka ny tànany havia aza tsy nahalala izay navoaky ny tànany havanana, ary olona iray nahatsiaro an'I Allah no latsa-dranomaso ka nihafara tamin'ny fahajambana".
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim
" Tena marina fa efa mazava ny Azo atao ary mazava ihany koa ny Voarara , ary misy ireo Zavatra mitovitovy mety mampisalasala izay tsy fantatry ny maro, ka izay miala amin'ny Zavatra mampisalasala dia ho afaka tsy omena tsiny amin'ny finoany sy ny voninahiny, ary izay latsaka amin'ny Zavatra mampisalasala kosa dia Lavo tany amin'ny zava-pady, toy ny Mpiandry ondry mihina ahitra manodidina ny Zaridaina ka saika hihina ahitra eny ireo Ondry. Eny tokoa, ny Mpanjaka rehetra dia manana Zaridaina. Ary ny Zaridain'ny Tompo Allah dia ireo zava-pady izay Nofaritany. Misy Nofo iray tokoa amin'ny Vatana. Raha tsara izany, dia lasa tsara avokoa amin'ny Vatana, fa raha Simba izany, dia simba avokoa ny Vatana rehetra, tsy inona akory izany fa ny Fo ".
Mari-pototra Notaterin’i Boukhari sy Mouslimo
“Izay mijoro ho vavolombelona fa tsy misy tompo afa-tsy Allah irery ihany, tsy misy mpiara-miombona Aminy, ary i Mohammad dia mpanompony sy Irakany, ary i Jesoa dia mpanompon’Allah sy Irany, ary ny teniny no natolony an’i Maria sy fanahy avy any Aminy. Ary misy tokoa ny Paradisa, ary misy ihany koa ny afobe, dia hampidirin’I Allah ao amin’ny Paradisa izy noho ny asany”.
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim