Skip to content
665 Hadiths

Encyclopedia of Prophetic Hadiths

Filter results

28 of 665 cards

Clear filters
Nisy lehilahy iray nanontany an'ny Mpaminany (S.A.W) hoe : Aiza amin'ireo fanompoana ao amin'ny finoana Islam no tsara indrindra? Hoy izy namaly hoe : “Mampisakafo olona, ary miarahaba an’izay fantatrao sy izay tsy fantatrao.”
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim
"Tompo Allah dia faly amin'ny mpanompo iray rehefa mihinana hanina ka misaotra azy noho izany, na rehefa misotro zava-pisotro ka midera azy amin'izany".
Mari-pototra Notantaraiin'i Moslim
"Ny mpino silamo dia izay mampilamina ny mpino silamo namany amin'ny lelany sy ny tanany, ary ny mpifindra monina dia izay nisitaka ireo zavatra noraran'Allah."
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim
Niaraka tamin’ny Mpaminany (S.A.W) aho teny am-pandehanana, ka niondrika aho mba hanala ny kirarony, dia hoy izy hoe : “Avelao izy roa, fa nanaovako tao anaty fahadiovana” ka nisafoiny fotsiny.
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim
“Raha mihinana ny anankiray aminareo, dia aoka izy hihinana amin’ny tànany havanana, ary raha misotro izy, dia aoka hisotro amin’ny tànany havanana; saria ny Satana dia mihinana amin’ny tànany havia sy misotro amin’ny tànany havia.”
Mari-pototra Notantaraiin'i Moslim
“Izay milaza amin’ny rahalahiny hoe : o ry tsy mpino, dia tanteraka amin'iray tamin’izy roa, raha tsy izany dia haverina aminy ny teniny.
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim
Isaky ny tonga mamangy ny marary i Mpaminany dia manao Doan ho azy manao hoe : “Esory ny fahoriany, ry Tompon’ny olombelona, ​​ary sitrano izy fa Ianao no mpanasitrana, tsy misy fahasitranana afa-tsy ny fanasitrananao, fahasitranana izay tsy mamela ny aretina".
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim
“Raha manoaka ny anankiray aminareo, dia aoka hanapina ny vavany ny tànany, satria ny satana dia hiditra ao.”
Mari-pototra Notantaraiin'i Moslim