Skip to content
665 Hadiths

Encyclopedia of Prophetic Hadiths

Filter results

28 of 665 cards

Clear filters
“Ny mpitaingina miarahaba ny mpandeha tongotra, ny mpandeha tongotra miarahaba ny mipetraka, ary ny vitsy miarahaba ny maro”.
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim
“Fantatrareo ve ny atao hoe Fifosana? ” Hoy izy ireo namaly hoe : “i Allah sy ny Irany no tena mahalala". Hoy Izy (S.A.W) hoe : «Ny fitenenanao momba ny namanao amin’ny zavatra izay tsy tiany» Hoy izy ireo hoe : ka ahoana raha misy amin'io rahalahiko io ilay zavatra nolazaiko. Namaly Izy (S.A.W) hoe : “Raha misy aminy tokoa izay nolazainao, dia efa nifosa azy ianao, fa raha tsy misy aminy kosa izany, dia efa nanendrikendrika azy ianao”.
Mari-pototra Notantaraiin'i Moslim
Zazalahy taizan'Irak'i Allah aho, ary nitsabatsabaka teo amin'ny vilia ny tànako, dia hoy ny irak'I Allah tamiko hoe : “Ry zazalahy, manonona ny anaran'I Allah, avy eo mihinana amin’ny tananao ankavanana, sy izay manoloana anao". Ary tahaka izany hatrany ny fihinanako taorian'izany.
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim
“Zon'ny mpino silamo amin’ny silamo namany dia enina”. Nisy nilaza hoe : Inona àvy izy ireo ry irak’Allah? Dia namaly izy hoe : “Raha mifanena aminy ianao dia arahabao izy, ary rehefa manasa anao izy dia valio, ary raha mitady torohevitra izy dia toroy hevitra, ary raha mievina izy dia miderà an’I Allah dia tohano, ary raha marary izy dia tsidiho, ary raha maty izy dia manaraha ny fatiny mba handevina azy”.
Mari-pototra Notantaraiin'i Moslim
"Allah dia tsy mijery izay misintona ny fitafiany noho ny fanambonian-tena."
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim
" Tsy azo atao ny mandao (mirafy) ny rahalahiny mihoatra ny telo alina, rehefa mifankahita izy ireo, ary mandà izy roa lahy, mifanome lamosina ary ny tsara indrindra amin'izy ireo dia izay manomboka miarahaba manao ny Salamo."
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim
“Rehefa manao Ouzo ny iray aminareo, dia aoka izy hampiditra izany any amin’ny orony, ary avy eo havoakany, ary izay manao ny istijmàra (mifitra amin'ny vato sns...), dia aoka hataony telo, ary rehefa mifoha amin’ny torimasony ny anankiray aminareo, dia aoka izy hanasa tànana alohan’ny handraisany ny rano hanaovany ozo, fa tsy misy aminareo mahalala ny toerana nipetrahan'ny tanany tamin'ny alina. Araka ny hadith-n'i Moslim : “Raha mifoha amin’ny torimasony ny iray aminareo, dia aza atsoboka ao anaty siny ny tànany mandra-panasany azy intelo, satria tsy fantany ny toerana nisy ny tanany nandritra ny alina.”
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim
Nisy lehilahy iray niara-nisakafo tamin’ny irak’Allah (S.A.W), tamin’ny tanany havia, dia hoy izy hoe : “Mihinàna amin’ny tànanao ankavanana ianao” Namaly izy : “Tsy vitako” dia hoy ny Mpaminany (S.A.W) : “Tsy vitanao ve", Tsy misy afa-tsy ny fanambonian-tena no nanakana azy hanao izany, dia hoy izy : Tsy nampiakatra izany tamin’ny vavany intsony izy.
Mari-pototra Notantaraiin'i Moslim