Skip to content
665 Hadiths

Encyclopedia of Prophetic Hadiths

Filter results

23 of 665 cards

Clear filters
“Ny mpitaingina miarahaba ny mpandeha tongotra, ny mpandeha tongotra miarahaba ny mipetraka, ary ny vitsy miarahaba ny maro”.
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim
Zazalahy taizan'Irak'i Allah aho, ary nitsabatsabaka teo amin'ny vilia ny tànako, dia hoy ny irak'I Allah tamiko hoe : “Ry zazalahy, manonona ny anaran'I Allah, avy eo mihinana amin’ny tananao ankavanana, sy izay manoloana anao". Ary tahaka izany hatrany ny fihinanako taorian'izany.
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim
"Allah dia tsy mijery izay misintona ny fitafiany noho ny fanambonian-tena."
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim
" Tsy azo atao ny mandao (mirafy) ny rahalahiny mihoatra ny telo alina, rehefa mifankahita izy ireo, ary mandà izy roa lahy, mifanome lamosina ary ny tsara indrindra amin'izy ireo dia izay manomboka miarahaba manao ny Salamo."
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim
“Rehefa manao Ouzo ny iray aminareo, dia aoka izy hampiditra izany any amin’ny orony, ary avy eo havoakany, ary izay manao ny istijmàra (mifitra amin'ny vato sns...), dia aoka hataony telo, ary rehefa mifoha amin’ny torimasony ny anankiray aminareo, dia aoka izy hanasa tànana alohan’ny handraisany ny rano hanaovany ozo, fa tsy misy aminareo mahalala ny toerana nipetrahan'ny tanany tamin'ny alina. Araka ny hadith-n'i Moslim : “Raha mifoha amin’ny torimasony ny iray aminareo, dia aza atsoboka ao anaty siny ny tànany mandra-panasany azy intelo, satria tsy fantany ny toerana nisy ny tanany nandritra ny alina.”
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim
Fa i Mpaminany (S.W.A) rehefa matory eo am-pandriana isakin'ny alina dia manambatra ny felatànany roa, ary tsofiny eo Aminy ny, { Qol howalloahou Ahado } sy { Qol ao'zhou birabbil falaq} ary { Qol ao'zhou birabbin-Nàsy } avy eo dia safoIny izay rehetra tratran'izany amin'ny Vatany, atombony avy eo amin'ny Lohany sy ny Tarehiny, ary ireo faritra aloha amin'ny Vatany mantolo, ka Ataony in-telo avokoa izany.
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari
Nisy lehilahy iray nanontany an'ny Mpaminany (S.A.W) hoe : Aiza amin'ireo fanompoana ao amin'ny finoana Islam no tsara indrindra? Hoy izy namaly hoe : “Mampisakafo olona, ary miarahaba an’izay fantatrao sy izay tsy fantatrao.”
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim
"Ny mpino silamo dia izay mampilamina ny mpino silamo namany amin'ny lelany sy ny tanany, ary ny mpifindra monina dia izay nisitaka ireo zavatra noraran'Allah."
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim