Skip to content
665 Hadiths

Encyclopedia of Prophetic Hadiths

Filter results

6 of 665 cards

Clear filters
"Ny mpino iray noho ny hatsaran-toetra anànany dia hahazo voninahitr'ireo mpifady hanina amin'ny atoandro sy mpivavaka amin'ny alina".
Marina miaraka amin'ny porofo hafa Notantarain'i Abo Daòd sy Ahmad
“Izay mpamindra fo dia hamindra fo aminy Ilay Be indrafo, mamindrà fo amin’ny mponin’ny tany, dia hamindra fo aminao izay any an-danitra”.
Mari-pototra Notantarain'I Abo Daòd, Al-Tirmizì ary Ahmad
“Tsy misy zavatra mavesatra indrindra eo amin'ny mizanan’ny mpino amin’ny andro farany mihoatry ny toetra tsara, ary halan’i Allah ny vetaveta sy tsy fahamendrehana”.
Mari-pototra Notantarain'I Abo Daòd sy Tirmizì
"Ny mpino feno sy manam-pinoana indrina dia izay manana toetra tsara, ary ny mendrika indrindra aminareo dia izay mendrika indrindra amin'ny vadiny".
Tsara Notantarain'I Abo Daòd, Al-Tirmizì ary Ahmad
Nolazaiko tamin'ny Mpaminany (S.A.W) ny hoe : Ampy ho anao ny avy amin'i Safiyya izao sy izao, hoy ny fitantarana hafa hoe : Izy dia fohy - Dia niteny i Mpaminany (S.A.W) : "Efa nilaza teny iray ianao, raha afangaro amin’ny ranomasina izany, dia hangidy.” Hoy izy : “Nolazaiko taminy ny momba ny olona iray, dia niteny i Mpaminany (SAW) : “Tsy tiako ny miresaka momba olona, ​​ary tsy tiako ny miteny hoe Izao sy izao.”
Mari-pototra Notantarain'I Abo Daòd, Al-Tirmizì ary Ahmad
" Raha misy olona mitia ny Rahalahiny, dia aoka izy hilaza aminy mivantana hoe tia azy izy ."
Mari-pototra Notantarain'i Abo Daòd, Al-Tirmizì, Al-Nasàì ao amin'ny Al-Kobra, ary Ahmad